Politika

Fampandrosoana ny faritany : miantso firaisankina ny Betsi-Groupe

Nanao antso avo ho an’ny zanaky ny faritanin’i Fia­narantsoa mba haneho firaisankina sy hifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana ny vondron’ny zanaky betsileo, Betsi-Groupe. «Mila hamafisina izany hanehoana fa manana ny maha izy azy isika na eo amin’ny politika na sosialy na asa fampandrosoana… Ilana tolo-tanana avokoa izany”, hoy izy ireo. […]

Raikitra ny fitokonan’ny mpiasan’ny masoivoho : nikatona, tsy nandray olona ny ambasady any Frantsa

Nikatona tanteraka, tsy nandray olona, nanomboka omaly ny masoivoho malagasy ao Frantsa. Nohamafisin’ny taratasy fampahafantarana avy amin’ny ambasadaoro, Rajhonson Rija izany. Nanatanteraka ny fitokonana faobe, araka ny efa nambarany sy tsy nihemotra ireo mpiasan’ ny masoivoho any Paris. Nilanja sora-baventy, nanoloana ny biraon’ny ambasady izy ireo, naneho ny fitakiany ny […]

Fanaraha-maso fifidianana : malalaka ny firaisamonina sivily

“Maro ny firaisamonina sivily efa naka fahazoan-dalana teny amin’ny Ceni, ary navela halalaka izay. Na izany aza, misy fe-potoana ny fahazoana maka an’izay”, hoy ny fanazavan’ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni foibe, Ravalitera Jacques Michaël, ny amin’ny fanaraha-maso fifidianana. Voafaritry ny lalàna ny firaisamonina sivily: tsy manao politika, fa manara-maso ny […]

Fivoaran’ny lalàna : nanamafy ny fahaiza-manaony ireo notera

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo teny Ivato ny fiofanan’ireo Notera ho fana­tsarana ny asan’izy ireo hanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa. Natao izany hisitrahan’ireo manan-draharaha amin’izy ireo sy hanomezany torolalana sy hevitra ireo mila izany. Eo koa ny fivoaran’ny ankamaroan’ireo lalàna, amin’izao fotoana izao. Nitarika izany teny an-toerana amin’ izao fivoriambe izao […]

Diplaomaty hotendrena : nametraka fepetra ny Syncormae

“Momba ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny ma­soivoho: olona mahafehy ny diplaomasia no tokony ho amin’izany”, hoy ny filohan’ny Syndicat des corps du ministère des Affaires étrangères (Syncormae) eny ani­von’ny minisiteran’ny Ra­haraham-bahiny, Andria Ra­zakandrema, manoloana ny fanendren’ny filohan’ny Re­poblika ireo ambasadaoron’i Madagasikara any ivelany ato ho ato. Efa nisy fangatahan’ny sendikà […]