Nifampiarahaba noho ny taona vaovao, teny Faravohitra, ny mpikatroka Tim. Nitodihan’ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc tamin’ny lahateniny ny lasa sy ny hiatrehana ny ho avy. “Naka lesona tamin’ny nitranga hatramin’izay isika. Efa niova aho ary mahafantatra ny ataoko. Tsy ho azo ambakaina intsony fa hafa ny toy ny tamin’ny 2018”, […]
Politika
Finoana katolika : halevina amin’ny alakamisy ny papa Benoît XVI
Halevina ny alakamisy izao ny papa Benoît faha-16, araka ny fandaharam-potoana eo anivon’ny fiketrahana Masina, any Vatikana. Nindaosin’ny fahafatesana, teo amin’ny faha-95 taona, ny asabotsy 31 desambra teo tamin’ny 9 ora34min, ora any Vatikana izy. Tsiahivina fa voafidy ho papa ny tenany ny 19 avrily 2005, rehefa nodimandry ny papa […]
Ratolojanahary Maharavo : “Tompon’antoka amin’ny fahantrana ny mpanjanaka”
“Ny mpanjanatany no tompon’andraikitra amin’ny fahantrana misy eto”, hoy ny mpitarika ny hetsika Dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), Ratolojanahary Maharavo. Voafatotra ka tsy mahazo ny ataon’ny filohan’ny Repoblika ny vahoaka, manome tsiny avokoa. Izay no zava-misy amin’izao. Izay no itenenany, na fantany aza fa tsy rariny izany. Nahatonga azy niampanga ny […]
Depiote Razakandrainy Dominique : “Ilaina ny fitoniana eo amin’ny fiainam-pirenena”
“Ao anatin’ny fitoniana sy fahatoniana no ahazoantsika miatrika ny fiainam-pirenena. Vita hatreo ny amin’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Ny hoe misy fiantraikany na tsia: natao hakana lesona ireny raharaha ireny. Inona ny lesona tokony horaisin’ny solombavambahoaka sy ny mpanatanteraka?” , hoy ny depiote voafidy tany Sakaraha tamin’ny anaran’ny IRD, Razakandrainy Henri […]
Filoha nasionalin’ny MMM : «Mila manana fahasahiana isika… hanova lalana»
Niarahaba sy nirary soa ny malagasy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga , Andrianainarivelo Hajo. Nambarany tamin’izany fa notahin-Janahary isika ka afaka handray ny taona vaovao. Niaiky ny tenany fa mbola nisedra olana maro sy fahasahiranana isika ny taona 2022. Na izany aza, tsy atao mahakivy izany fa tsy maintsy […]




