Noesorina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny tale jeneralin’ny Instat. Nilatsaka ny fepetra sy ny mason-tsivana avy amin’ireo sendika eo anivon’ny Instat amin’ny hisolo ny toerany. “Olona afa-mamaha ny olan’ny Instat no tokony ho tale jeneraly”, hoy ny sendikàn’ny mpiasa « Contractuels » na ny « Syndicat des personnels contractuels de […]
Politika
Rasoamaromaka Hery : “Arahin’asa ny fahavononana amin’ny fifidianana”
“Tsy maintsy vonona amin’ny fifidianana, fa tsy maintsy arahin’asa ny fahavononana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Sekretera nasionalin’ny antoko TGV, Rasoamaromaka Hery, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, taona 2023. Izay no tombondahin’ny eo amin’ny fitondrana: tsy afa-manao fampanantenana intsony rehefa tonga ny taona 2023, tsy afa-kiteny intsony amin’ny vina […]
Fiainana antoko : feno 50 taona ny nijoroan’ny MFM
Niorina ny volana desambra 1972. Nitsingerina, omaly, ny faha-50 taonan’ny antoko MFM. Nanao antso fanairana amin’izao tsingerin-taona izao ny mpikambana, Raveloson Constant. Nambarany fa tsy entinkentim-poana ny anarana MFM. “Averintsika amin’ny hasina nametrahan’ny vahoaka azy teto amin’ny tany sy ny firenena ny antokontsika, manomboka izao”‘, hoy izy. Nanteriny fa tena […]
Antenimierandoholona : Mbola mitaky tambin-karama ny mpiasa
“Manokatra varavarana ho amin’ny fifampiresahana ny filohan’ny Antenimierampirenena. Nandray anay izy ny antoandro teo, ary nampahatsiahivinay azy fa misy ireo minisitera sy andrimpanjakana nandray an’izany tambin-karama izany ankoatra ny karama volana desambra”, hoy ny filohan’ny sendikà Antoky ny sehatry ny asa eto amin’ny Antenimierandoholona (Asa), Razafimaharo Famantanantsoa, teny Anosikely, afakomaly. […]
Firariantsoa ho an’ny taona vaovao: hitafa ho an’ny vahoaka malagasy ny filoha Rajoelina
Fotoana iray hanaovana jery todika izao faran’ny taona izao ary hanombanana sy hametrahana koa ny vina ho an’ny taona vaovao. Hiompana amin’izany ny lahatenin’ny filoha Rajoelina Andry, ny asabotsy hariva, amin’ny 7 ora amin’ireo haino aman-jery rehetra. Tombanana fa hitanisa ny ezaka sy ny dingana vita tao anatin’ny herintaona ny […]




