“Alefaso ny fifidianana, fa aza be resaka. Ataovy rehefa mahavita azy, na inona na inona hitranga eo”, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Ravonison Tintin, ho an’ny mpanohitra manoloana ny fiainam-pirenena amin’ izao fotoana izao. Hatramin’ ny nahavory saina azy, tsy mbola nahita izy hoe misy mpanohitra manaiky fa hangarahara ny fifidianana […]
Politika
Nivoarivony : “Tsy tokony hataon’ny mpisehatra politika fitaovana ny firaisamonina sivily”
Mafanafana ny tontolo politika amin’izao? Indraindray, mila hifangaro be ihany ny firaisamonina sivily sy ny mpisehatra politika. Aiza ho aiza? Maneho ny heviny ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), i Nivoarivony: “Tsy tokony hataon’ny mpisehatra politika fitaovana ny firaisamonina sivily.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Aiza ho aiza […]
Ambositra : zandary 1498 naseho ambany faneva
Nahavita fiofanan fototra maha miaramila taorian’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena Ambositra, naseho teo ambany faneva ny andiany faha-77 mitotaly 1498 mianadahy, afakomaly. Niroso tamin’ ny fanomezana anarana na ny “baptême de promotion” indray ka VASIA no anarana nosafidian’izy ireo na kintana izany. Anarana midika hoe fanoloran-tena ho an’ny […]
COP 27 : nahitam-pahombiazana ny fivoriana
Notontosaina ny talata 14 janoary 2023, teny amin’ny hotely Carlton, Anosy, ny atrikasa nampahafantarana ny varavarana misokatra maro isaky ny karazany avy, ho an’i Madagasikara, taorian’ny fivoriambe COP 27 notanterahina tany Egypta ny volana novambra 2022. Tanjona amin’izao atrikasa izao ny hifampizarana amin’ny mpiara-miombona antoka amin’ny fivoaran’ny fifampiraharahana natao nandritra […]
Fiatrehana fifidianana : tsy hanaiky intsony ny tsy fanarahan-dalàna ny Tim
“Hamafisinay hatrany fa tsy hanaiky intsony ny tsy fanarahan-dalàna rehetra sy ny hala-bato ary ny famadihana ny safidim-bahoaka toy izay nisy teo aloha izahay. Tena vonona izahay hampiasa ny herinay rehetra hiarovana ny safidim-bahoaka ary hampanjaka ny ara-dalàna sy ny ara-drariny mandritra ny zotram-pifidianana.” Io ny nambaran’ ny sekretera jeneralin’ny […]




