Politika

Fanentanana ny mpifidy: midina ifotony ireo tanora Tim

Midina ifotony, mitety tanàna sy isam-baravarana ireo tanora Tim. Manentana ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, izy ireo, amin’izany ary mampirisika koa ny hanarahana maso izany. Eo koa ny fanamarinana ny anaran’ireo mpifidy anaty lisitra. Niain­ga avy amin’ny toromariky ny birao politika izany hetsika fidinana ifotony ataon’ireo tanora Tim sy […]

Fikambanan’ny ben’ny Tanàna, faritra Atsinanana : mangataka ny mbola hirotsahan’ ny filoha Rajoelina hofidina

Nanao tohivakana ny fanambarana. Anisan’ny naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, indrindra ny hiatrehana ny fifidianana ny any amin’ny faritra Atsinanana. Niray feo izy ireo amin’izany. “Nifanome toromarika sy nanapa-kevitra ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna ao anatin’ny faritra Atsinanana, faritany Toamasina, fa mangataka ny mbola hirotsa­han’ny filohan’ny Repoblika hofidina indray amin’ny […]

Depiote Raholdina Naivo : “Leran’ny fifidianana izao”

“Ny leran’ny fifidianana no lera tonga amin’izao. Tsy misy fifidianana mihemotra eto. Ho tapitra amin’ny 31 janoary izao ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Efa ny fifidianana no banjinina”, hoy ny depiote voafidy tao Antananarivo V, tamin’ny anaran’ny IRD, Raholdina Naivo, manoloana ny fijoroana sy fitakian’ny vovonana Lera tamin’ny […]

Senatera Etienne Blanc: “Ahina ny tsy fitoniana”

Manaraka akaiky ! Na­neho ny heviny sy nanaitra, manoloana ny raharaham-pirenena eto amintsika ny minisitra Frantsay misahana an’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny, ny senatera Repobli­kanina Étienne Blanc. Hen­titra ny nambarany tamin’ny taratasy, nataony ny 26 ja­noary teo. “Miha mampanahy hatrany ny fitoniana politika any Madagasikara, taorian’ ny fiampangana sy nampidirana […]