Tontosa, omaly, teny amin’ ny Gara Soarano, ny lanonana nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny samboady ho an’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena ho an’ny faritanin’Antananarivo sy ireo solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto amin’ny faritra Analamanga sy Itasy ary ny tao Tsiroanomandidy. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin. Nanotrona izany ny […]
Politika
MIRALENTA: an-dalana ny politikam-pirenena
“Voalohany, tsy misy ny finiavana politika hanatanteraka an’izay; faharoa, tsy matoky tena na atosika omena toerana aza ny vehivavy indraindray; fahatelo, ny lafiny kolontsaina eto Madagasikara mbola mametraka ny 70 %, na lahy na vavy, hoe aleo ny lehilahy no hitana ny andraikitra ambony”. Io ny fanazavan’ny manampahaizana momba ny […]
Razanamahefa Désirée Stella : “Miantoka ny fifidianana azo itokisana ny fampiharan-dalàna”
Hanao ahoana ny fifidianana kaominaly? Na izay antoka amin’ny fanatanterahana azy… Maneho ny fijeriny ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella. Gazety Taratra (*): Inona no azo arenina avy hatrany amin’ny fiatrehana fifidianana kaominaly? – Razanamahefa Désirée Marie Stella (-): Hatramin’ny 6 […]
FANTINA sy FINTINA
Tokony hotendrena ireo filoha lefitra roan’ny delegasiona manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), hoy ny mpanolotsain’ny Tanàna, Lalatiana Ravololomanana. Ny minisiteran’ny Atitany no manapaka momba izany. Tokony ny iray amin’ireo filoha lefitra no mitantana rehefa tsy eo ny PDS, fa tsy ny sekretera jeneraly. Tokony manontany tena ny Malagasy hoe: ilaina […]
Loholona Tsiebo Mahaleo : “Minisitra maharaka ny hazakazaka fampandrosoana”
“Mazava ny tenin’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina: ny fifidianana sy fitondrana olona ho mpikamban’ny governemanta dia olona maharaka ny diany sy ny hazakazaka fampandrosoana.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholohan’i Madagasikara, i Tsiebo Mahaleo Richard Victor, momba ny fanendrena minisitra amin’ny fandrafetana ny governemanta vaovao amin’izao. Tsy misy kinamanamana izany; tsy […]