Fandraisana andraikitry ny Fitondrana Fanavaozana ny hanatsarana ny lalàna sy hanamora ny famokarana ary hitarika ny fitondrana foibe ho amin’ny fanavaozana, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Nandritra ny fitokanana ny orinasa fanodinam-bokatra ao Vohilava, kaominina ambanivohitra Anosy Tsararafa, Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo no niresahany izany. […]
Politika
Fandaharanasan’ny Fanavaozana : Hanohana ara-bola ny Sadc
Noraisin’ny minisitry ny Fanavaozana ny Repobika, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, ireo iraky ny Sadc tarihin’i Joey Bimha teny Antaninarenina, ny zoma teo. Nivoitra tamin’izany ny fanohanan’izy ireo ny fikaonandoham-pirenena. Nampahafantarin’ny minisitra tamin’ireto iraky ny Sadc ireto ny tetibola ilain’ny fitondram-panjakana hoentina manatanteraka ny fikaonandoham-pirenena. «Nangataka ny tetibola ilaintsika momba izany […]
SYNAD: Olana ny tsy fampiharan-dalàna
“Tsy hoe ratsy ny fitsinjaram-pahefana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny sendikan’ny administratera sivily (Synad), Rakotondramanana Solofotahina Lalaina, teny Anosy, omaly, momba ny fitsinjaram-pahefana mahabe resaka amin’izao. Tamin’ny fitondran’ny Pr Zafy Albert, Repoblika III, nisy ny lalàna 94-007 sy ny 94 -008. Misy ny lalàna, fa tsy nampiharina. Aoka tsy hohadinoina […]
FANTINA sy FINTINA
Miompana amin’ny fanomezana malalaka ny vehivavy sy ny tanora hiditra anaty tontolo politika sy fampandrosoana ny firenena ny fanaovan-tsonia nandritra ny “Sommet Mahasaky Women and Youth”. Tafiditra ao anatin’izany ny demokrasia, ny fampandraisan’anjara ary ny fampivelarana ny tanora sy ny vehivavy. Mitaky ny hametrahana mazava ny drafitra itondrana ny Fanavaozana […]
Diplaomasia : Nampitoviana tadin-dokanga ireo ambasadaoro vaovao
Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Alice N’Diaye, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly, ireo ambasadaoro malagasy dimy vaovao voatendry tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 28 avrily lasa teo. Eo ny ambasadaoro isany Rabemahefa Michel hiasa ny Frantsa; Randriamiandrisoa Edelin Calixte, any Soisa, sady solontena maharitra eo anivon’ny Firenena mikambana any […]





