Misy misovoka ao anaty fitondrana amin’izao, araka ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Mahajanga II, Ramananarivo Orlando. Mila jerena akaiky sy hanapahan-kevitra ny momba izay. Maro ireo fanaratsiana mandeha, manimba endrika ny fitondrana. Sarotiny ry zareo izay manohana an’izao fitondrana mijoro izao. Maro ireo olona tratra sy voasaringotra […]
Politika
Fampandrosoana : Hanohana ny Faritra rehetra ny Praiminisitra
Vonona ny Praiminisitra hanohana ny faritra Analamanga sy ny faritra rehetra eto Madagasikara amin’ny fampiharana ny fandraisana fahefana marina, ny fanomezana fanampiana ary ny fanohizana ny ady amin’ny heloka bevava eo amin’ny sehatry ny toekarena. Izay no anisan’ny nisongadina tamin’ny fitsidihan’ny lehiben’ny Faritra Analamanga, Raharinirina Clémence, ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama […]
Minisi-panjakana Razafimanantsoa H. : “Vitaina amin’ity taona ity ny fikaonandoham-pirenena”
“Tsy maintsy vita alohan’ny faran’ny taona 2026 ny fikaonandoham-pirenena”, hoy ny minisi-panjakana eo anivon’ ny fiadidiana misahana ny Fanavaozana ny Repoblika, Razafimanantsoa Hanitra, tamin’ny mpanao gazety, teny Antaninarenina, omaly. Efa vita ny tombana ny zava-misy, fa ny fomba hanatanterahana azy izao. Fametrahana ny foto-kevitra sy ny fomba fiasa ary ny […]
FANTINA sy FINTINA
“Na mbola anaty lavaka maizina aza isika, miezaka ny hamelona na te hamono aza ny sasany”, hoy ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavoazana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fitsidihana ifotony ny orinasam-panjakana Société d’etude, de construction et de réparation navale (Secren), tany Antsiranana, afakomaly. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny famelomana […]
Fanehoan-kevitra : An-dalana ny fanenjehana ara-pitsarana ireo nihoa-pefy
“Tsikaritra fa misy ireo olona eto an-toerana na any ivelany manararaotra ny fahazoana miteny sy maneho hevitra, ka manompa ankitsirano sy manitsakitsaka mivantana ny hasin’ny maha olombelona ary mandranitra fankahalana hikendren’izy ireo mpitondra ambony sasantsasany eto amin’ny firenena”. Fanambarana navoakan’ny talen’ny serasera eo anivon’ny Fanavaozana, Rahajason Harry Laurent, omaly, izay, […]




