“Ny tena zava-doza, izay tonga eo amin’ny fitondrana, misy ny fitiavan-tseza tafahoatra sy ny tsy fitsinjovana ny maro an’isa. Izay no tena olana. Manao izay mahatsaratsara ny fiainany sy ny fianakaviany izay tonga eo”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha sady filohan’ny antoko Fanarenana, Razafimahefa Herimanana, manoloana ny […]
Politika
Mediatiora : Miara-miasa hanamafisana ny demokrasia i Alemaina
Nihaona tamin’ny Mediatioran’ny Repoblika ny ambasadaoron’i Alemaina, omaly, teny Isoraka. Nivoitra, nandritra izany, ny fiaraha-miasa hanamafisana ny demokrasia eto Madagasikara. Fiaraha-miasa amin’ny fitondrana tsara tantana, fitandroana zon’olombelona, fampandrosoana maharitra… Ireo no fototry ny dinika nihaonan’ny ambasadaoron’ny Repoblika Federalin’i Alemaina eto Madagasikara, i Oliver Knoerich, tamin’ny Mpiahy an-drariny ny vahoaka na […]
FANTINA sy FINTINA
Efa nisy ny taratasy fangatahana fanesorana ny zo tsy azo anenjehana « Immunité parlementaire » ny depiote Raholdina Naivo, araka ny nambaran’ny minisitra Fanirisoa Ernaivo. « Efa nalefa eny Tsimbazaza izany, mialoha ny nisamborana azy, saingy mety tsy voarain’ny filohan’ ny Antenimiera izany noho izy mbola tsy teto an-toerana », hoy izy. Nandray ny […]
Tetiandro vonjimaika: Hatao amin’ny oktobra 2027 ny fifidianana
Misoko mangina. Efa ao anatin’ny faminavinana ireo tetiandro samihafa ho amin’ny fifidianana ny eo anivon’ny Ceni, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny filohan’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity ny momba ireo dingana samihafa hirosoana. « Tokony hotanterahina amin’ny volana jona na jolay 2027 ny fifidianana ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahadimy. Hatao ny volana oktobra amin’io […]
Asan’ny governemanta : “Mila vokatra mivaingana ny vahoaka”
Nisokatra, omaly, ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena, amin’ity taona ity. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny filoha, Randrianasoloniaiko Siteny, fa mitaky vokatra amin’ny governemanta ny vahoaka. “Miandry sy manantena vokatra azo tsapain-tanana sy misy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro ao anatin’ny fotoana fohy ny vahoaka malagasy”. Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, nanomboka […]





