Miova mpitondra, miova sata. Sambany, nisy ny fanalana ny tombontsoa parlemantera tsy azo enjehina. Politika ? Mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona ny raharaha, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena. «Mangarahara tanteraka ny fanapahan-kevitry ny birao maharitra, izay mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona eto Madagasikara. Natao izay satria […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
“Tsy misy ny fiatoana politika, na hoe ao anatin’ny fety aza. Isan’andro ny fampiharan-dalàna. Fomba fitantanana ny firenena ny politika, ka tsy azo tapahina na eo aza ny fety”. Izay ny fijerin’ny filohan’ny antoko Avotra ho an’ny firenena, ny Dr Razafindrakoto Harison, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy misy […]
Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Fo matoky no handinihantsika ny fanavaozana”
“Enga anie ka fo matoky no handinihantsika ny fanavaozana tiantsika hajoro eto Madagasikara. Ary tsy atao ambanin-javatra ny fitsinjaram-pahefana tena izy”. Io ny fiarahaba sy firariantsoan’ny kardinaly Tsarahazana Désiré, tany Toamasina, ny fiandohan’ny taona teo. Ampy izay ny fanaovana ny olona ho zaza lava: omeo vary, omeo ronono, omeo paompy… […]
Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama: “Ho avy ny tomban’ezaka ny fitondrana”
Tapitra ny roa volana fanamby ho an’ny governemanta amin’ny fanavaozana ifotony sy ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka. Mby aiza ? Ho avy ny tomban’ezaka… “Ho avy ny tomban’ezaka ny fitondrana ny fanavaozana ifotony”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, tamin’ny dinidinika tamin’ny tamin’ny haino aman-jery sy ny solontenan’y Gen Z, teny Mahazoarivo, omaly. […]
FANTINA sy FINTINA
Ny Malagasy rehetra mivondrona entanin’ny fitiavana ny firenena sy ny Malagasy mitovy amin’ny tena ihany no lalana hampandroso ny firenena. Izay ny fiarahabana noho ny taona vaovao nataon’ny filoha mpisolo toerana ny Antenimierandoholona, ny loholona Ndremanjary Jean-André, ny 1 janoary teo. Amin’ny maha andrimpanjakana mpiahy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona […]




