Vaindohan-draharaha amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa eny anivon’ny seranam-piaramanidina ny ady amin’ny kolikoly, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena. Maro kosa ireo vina hotanterahina aorian’izay. Tontosa, omaly, ny fidinana ifotony nataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Niara-dalana taminy, nandritra izany, ireo tomponandraiki-panjakana maro, anisan’izany ireo minisitra. Anton’izao fidinana ifotony […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Andrasana ny governemanta vaovao ny fankatoavana, amin’ny alalan’ny didim-panjakana amin’ny filankevitry ny governemanta, ny soso-kevitry ny Ceni hoe amin’ny 6 novambra ny ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Tokony hivoaka amin’ny 6 aogositra izany farafahelany, fa izay ny 90 andro mialoha ny datim-pifidianana, raha ny voalazan’ny lalàna. Angamba, mbola mandamina […]
HAINGO PARADIS : “Fotoana handraisana andraikitra izao”
Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, ny fanaterana ny antontan-taratasy amin’ny firotsahana ho anisan’ireo hofantenana ho ministra, ho an’i Vololomboahirana Haingotiana Laurence, fantatry ny maro amin’ny anarana Haingo Paradis Madagasikara. Ny fahatsapana ny zava-misy sy iainan’ny vahoaka no tena nanosika azy hirotsaka hofantenana amin’ny ho mpikambana eo anivon’ny governemanta. Nanambara izy […]
La Réunion – Madagasikara : mitohy ary hatevenina ny fiaraha-miasa
Misy ifandraisana ara-tantara eo amin’ny fiavian’ny mponina i Madagasikara sy La Réunion. Misy koa ny fiaraha-miasa, ary mitohy sy hatevenina izany amin’izao… Fahasalamana, fampianarana, toekarena manga, angovo azo havaozina, ny fifanakolazana eo amin’ny fikarohana ara-tsiansa… Ireo no sehatra isian’ny fiaraha-miasan’ny La Réunion sy i Madagasikara, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Filankevi-paritra […]
FANTINA sy FINTINA
Nitafa tamin’ny tomponandraiki-panjakana ao amin’ny faritra Anosy ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo. Notsindrin’ny PM tamin’izany ny tokony hananan’ny tomponandraiki-panjakana fahatsapan-tena maha tompon’andraikitra, ny ady amin’ny kolikoly, ny fahafehezana ny andraikitra ary ny fahaiza-mitarika. Nisokatra omaly, tany Accra, renivohitr’i Ghana, ny fivoriana ara-potoana faha-45 ho an’ny firenena mpikambana […]