Politika

Vao tonga avy any an-dafy: Voasambotra i Naivo Raholdina

Vao nigadona teto an-tanindrazana, voasambotra avy hatrany i Naivo Raholdina, depiote voafidy tao amin’ny boriborintany fahadimy. Avy nitsabo tena tany ivelany, niatrika fandidina izy, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao. Baiko avy amin’ny fitsarana no nahafahana nisambotra azy tamin’ny afakomaly alina, teny Analamahitsy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Tsy voafaritra […]

Filoha Randrianirina Michaël : Nidoka ny vahoakan’ny distrikan’i Faratsiho, faritra Vakinankaratra

Nitokana zava-bita maromaro sy nampihanta ny vahoakan’i Faratsiho ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël mivady, ny faran’ny herinandro teo. Notsiahiviny tamin’izany ny hetsika ny vahoaka tany an-toerana. Nentaniny tamin’izany ny ao Faratsiho hanohy ny ady efa nataony fony fitondrana teo aloha. « Ampi­risihana isika mba hitazona ary hanamafy ny firaisankina […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Hanomezana ny vahoaka ny zony ny fitsarana”

“Fahefana iray lehibe eto amin’ny firenena ny fitsarana. Ao anatin’ny fahefana feno izay misy izany. Matoa nosarahina fa tsy natambatra ny fahefana, mba hanomezana ny vahoaka malagasy ny zo izay tokony hananan’ny tsirairay avy”. Izay ny kabarin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fitokanana ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany […]

FANTINA sy FINTINA

Nomarihin’ireo tomponandraiki-panjakana tamin’ny alalan’ny diabe teto an-dRenivohitra ny fanamarihana ny fetin’ny asa, omaly. Nitarika izany ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana sy ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta ary ny PDS Antananarivo, Ralambomanana Feno. Nolalovana ny teny Anosy sy Analakely… Natao fitaovana politika hatramin’izay ny asa fanaovan-gazety, araka ny nambaran’ny filohan’ny CTOJM, […]

fitsarana ny filoha Rajoelina: “Miankina amin’ny Antenimierampirenena”

“Niteny ny eny anivon’ny Antenimierampirenena fa amin’ny volana mey ny fivoriana ara-potoana… Tokony handeha amin’izay ny fiampangana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Raha ny sitrapon’ny minisiteran’ny Fitsarana, efa tamin’ny desambra no tokony ho nandeha izay. Saingy, miankina amin’ny Antenimi­eram­pirenena izay misy pitsopitsony ihany koa”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny […]