“Raha tonga ny filazan’ny sasany hoe harodana indray io fa hovaina zavatra hafa, olana seza izany. Mba manana olom-boafidy ve ireo olona miteny an’izany? Tsy misy. Olona fantatra avokoa ihany izy ireo.” Izay ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, Ndremanjary Jean-André, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny […]
Politika
“Raharaha Ravalomanana Richard”: tsy misy mipika ny fanadihadiana eny Andrefan’Ambohijanahary
Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpanao famotorana, eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ao amin’ny Toby Ratsimandrava. Nilaza izy ireo fa tsy afaka ny mizara ny fivoaran’izany aloha, hatreto, ho fanajana ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana sy ny zon’ny olona nosamborina. Izay ny vaovao farany mahakasika ny jeneraly Ravalomanana Richard, izay tazomina etsy amin’ny […]
Minisitry ny Atitany: “Mba ho fampandrosoana ny distrika rehetra”
“Tiako hamafisina fa izay ny zavatra hita : tsy mora ny hoe fanavaozana lehibe tokony hoentintsika amin’izao fotoana izao. Ny fijerena ireo distrika rehetra mandrafitra ny Faritra mba tsy ho distrika iray na roa ihany… Ny distrika rehetra mba ho hita sy hahazo tombontsoa sy fampandrosoana avokoa”. Izay no nambaran’ny […]
Misimisy ny vesatra anenjehana azy: nosamborina sy hadihadiana ny Jly Ravalomanana Richard
Nosamborina omaly, teny amin’ny trano fonenany, afakomaly, ny jeneraly Ravalomanana Richard. Maro ny vesatra anenjehana azy, toy ny fisandohana andraikitra, fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena, firaisana tsikombakomba amin’ny vono olona… Nosamborin’ny zandarimariam-pirenena teny amin’ny trano fonenany, teny Ambatovinaky, afakomlay, tokony ho tamin’ny misandratrandro, ny jeneraly misotro ronono, Ravalomanana Richard, na Jly baomba […]
Antenimierampirenena: “Fitoriana telo ny mahakasika ny filoha teo aloha”
“Fitoriana telo no napetraka eny anivon’ny Antenimierampirenena hahazoana mandefa ny raharaha eny amin’ny Fitsarana avo (HCJ).” Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, nivahiny tao amin’ny televiziona TV 5 Monde, ny fiandohan’ny herinandro, famampitam-baovao voaray omaly, momba ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Ny Antenimierampirenena no mandinika ny […]




