Anisan’ny ekipa baolina kitra iray malaza eto Madagasikara ny Elgeco Plus. Manana tanjona sy fijery lavitra hotratrarina izy ireo, araka ny fanadihadiana natao tamin-dRandrianabo Miantso Fenosoa, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe « Bandy Akama », izay tomponandraikitra amin’ny serasera eo anivon’ny klioba. “Anisan’ireo klioba matanjaka eto Madagasikara ny Elgeco Plus. Manana […]
Songadina
Razakarisoa Patrick: « Mbola betsaka ny ezaka mila atao amin’ny taranja ping pong »
Fanadihadiana manokana mahakasika ny taranja ping pong natao tamin’ny tale teknika nasionalin’ny tenisy ambony latabatra, Razakarisoa Patrick. Maro ny asa mbola miandry, raha ny filazany. “Mbola betsaka ny ezaka mila atao satria mivoatra be ny tontolon’ny fanatanjahantena amin’izao fotoana izao”, hoy Razakarisoa Patrick, DTN ny taranja ping pong, anivon’ny Federasiona malagasin’ny FMTT, omaly. […]
Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana : Tsy hialan-dromoromo sy fitakian’ny mpiasa
Anisan’ny sampandraharaham-panjakana fa saingy ny tsy miankina no mandrefy sy mandidy amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara. Raha tsorina dia misy rafitra roa eo anivon’ity sampandraharaha ity ka ny rafitra voalohany dia ireo solontenan’ny vondrona mpandraharaha, tarihin’ny filohany, manana lefitra. Miampy ireo mpanolotsaina miisa 30 mandrafitra an’ izany, […]
Fiatrehana ny tondradrano : Tokony hirosoana ny fanadiovana an’i Sisaony
Anisan’ny ahitana olona traboina maro ny ao amin’ny faritra Antananarivo Atsimondrano, rehefa vanim-potoanan’ny orana tahaka izao. Lasibatra amin’izany ny etsy Ampitatafika sy Anosizato. Antony mahatonga izany ny fiakaran’ny rano, noho ny tsy fisian’ny fivoahany, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny ben’ny Tanànan’ Ampitatafika, Rado Ramparaoelina. Nodiovina farany ny renirano Sisaony tamin’ny […]
Tsy milamina i Toamasina : Tonga any an-tokantranona polisy ny asan-jiolahy
Mahamay sy tsy milamina ny tanànan’ i Toamasina sy ny manodidina amin’ny resaka tsy fandriampahalemana. Saika andrenesana loza vokatry ny asan-jiolahy isan’ andro, any an-toerana. Vaky trano etsy, fandrobana nampiasana fitaovam-piadiana eroa. Ny olona matina tsatoka antsy, fanolanana sy ny fanendahana manginy fotsiny manerana ny elanelantrano. Amin’izay indrindra, tonga hatreny […]