Songadina

Miparitaka maneran-tany : Mahatonga aretina maro ho an’ny olona ny kaikitry ny moka

Anisan’ny biby ke­ly indrindra eto an-tany ny moka, nefa mitondra karazana aretina maro maneran-tany. Maha­ton­ga fahafatesana ma­ro eo amin’ny olona ihany koa izy io. Bibikely manana helatra roa, maro karazana ary mahatratra aman’arivony izy io ary ahitana azy avokoa manerana izao tontolo izao. Misy ny antsoina hoe: Anopheles, Aedes aegypti, […]

Tao anatin’ny roa volana : Nahatratra 99 ireo namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana

150 mahery ny fitam­baran’ny trangana lozam-pifamoivoizana niseho teto Anta­nanarivo, tato ana­tin’ny roa volana. Na­moizan’aina tsy latsaky ny 100 iza­ny. Ny tsy fitandreman’ ny mpamily sy fandehanana mafy avokoa ny antony nahatonga izany. Mitombo ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana rehefa vanim-poto­anan’ny fialantsasatra tahaka izao. Maro ny fivezivezin’ny mpandeha amin’ny lalam-pirenena. Nahatratra 154 ireo […]

Heriniaina Jean Jacques: Jamba lasa mpampiofana amin’ny tontolon’ny fananahana

Manana fahasembanana eo amin’ny fahitana i Herinaina Jean Jacques. Nie­zaka sy nihoatra teo amin’ny fiainana izy, nanaraka fiofanana ary lasa mpam­piofana amin’izao fotoana. Antony nandrisika azy, ta­min’izany, ny tsy fisian’ny olona ma­nana fahasembanana misehatra amin’ny tontolon’ ny fampiofanana. Misokajy ho efatra ny fahasembanana mpahazo ny olona. Eo ny sembana ara-tsaina, […]

Fitsindromana zava-mahadomelina : Miparitaka ny tsimokaretina VIH sy Hépatite

Manodidina ny 2 000 mahery ireo olona midoroka zava-­ma­ha­­dome­lina amin’ny alalan’ny tsindrona eto Mada­gasikara, izay raisin’ny fikambanana an-tanana, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny ONG Ainga Aides. Taorian’ny fitiliana natao tamin’ireo marary, 163 no fantatra fa mitondra ny tsimokaretina hépatite C, raha ny tatitra voaray. Izay manodidina ny 30% eo […]

Fidirana amin’ny sehatry ny asa : Tombony ho an’ny tanora ny fisian’ny fampiofanana

Tanora avokoa ny 70% ny mponina eto Madagasikara. Tombony ho azy ireo amin’ny fitadiavana asa ny fisian’ny atrikasa fampiofanana mahakasika ny fampanana asa sy ho tonga mpandraharaha. Maherin’ny fito amin’ny 10 ny tanora malagasy mipetraka any ambanivohitra, raha ny tatitra voaray farany mahakasika ny tanora maneran-tany. Avy amin’ny tokantrano sahirana […]