Telo lahy matin’ny fokonolona. iray maratra, roa tsy naninona ka voalaza fa mpimasy ny iray, tamin’ny sabotsy alina. Nampangaina ho mpangalatr’olona, kanefa mpisera vatosoa izy ireo. Tokony ho tany amin’ny valo ora alina, ny sabotsy lasa teo ! Maty tsy tra-drano, nanamparan’ny fokonolona habibiana sy tora-bato ny telo lahy nosamborin’izy ireo. […]
Songadina
Famokarana herinaratra : hiasa tsy ho ela ny tetikasa Volobe
Vita Sonia, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fanaovan-tsonia eo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny Compagnie générale de l’hydroélectricité de Volobe (CGHV), ao anatin’ny tetikasa “Volobe en Amont”. Famokarana herinatra amin’ny alalan’ny reniranon’Ivondro. Araka izany, hamokatra herinaratra 750 Gwh isan-taona izany i Volobe ka hanana tanjaka 120 MgW. Olona 2 tapitrisa […]
Raharaham-pirenena: miantso dinika andatabatra ny FFKM
Namoaka ny hafatra Pantekoty ny eo anivon’ny FFKM, omaly. Nivoitra tamin’izany ny antso avo nataon’ireo raiamandrenin’ny fiangonana manoloana izao toe-draharaham-pirenena : sosialy, toekarena, politika… izao. “Hamafisinay ny antso avo ho an’ ny tomponandraikitra sy ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena fa ilaina ny fifampidinihana an-databatra, iarahantsika mitady vahaolana handresena ny […]
Jly Rakotoarijaona Josoa : “Taninketsan’ny Foloalindahy ny Semipi”
Miavaka raha samy sekoly fanofanana miaramila ny sekoly miaramilam-pirenena na Semipi izay nankalaza ny faha-100 taonany tao Beravina – Fianarantsoa, omaly. Taninketsan’ny foloalindahy malagasy ny sekoly, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jly Rakotoarijaona Josoa. Tsy fanofanana fotsiny. “Mamolavola olom-pirenena vanona eo amin’ny fomba fisainana hatramin’ny fitondrantena”, hoy izy. Notoloran’ny […]
Filoha Rajoelina Andry : nahavita be ny fitondrana !
Niara-nanamarika ny faha-100 taona ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi), Fianarantsoa, ny filoha Rajoelina Andry, niaraka tamin’ireo fianakaviamben’ny Foloalindahy, omaly. Nasongadiny tamin’ny lahateniny tamin’izany ny ezaka vitan’ny fitondrana. Mivahiny any Fianarantsoa nanomboka omaly, mitohy anio ny delegasiona tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Nitarika ny lanonana fanamarihana ny faha-100 taonan’ny Sekoly miaramilam-pirenena na […]




