Songadina

Filoha Andry Rajoelina tany Analanjirofo : “Fanamby ny mamelona sy mampisakafo ny vahoaka”

Nitsidika ny tany Maro­an­tsetra sy Mananara Ava­ra­tra ny filoha Andry Rajoeli­na, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nihaonany voalohany ny tao Anjahana. Maherin’ny 91% ny vato azo­ny manerana ny distri­kan’i Maroantsetra tamin’ny fifidianana. Nisaorany ny vahoaka ary nambarany fa anisan’ny fanamby ny hahatrarana ny fahaleovantena amin’ny sakafo. “Mahavita mamelona sy manome […]

Digue Fenoarivo : vehivavy niampita tampoka, maty voafaokan’ny fiara

Maty voadonan’ny fiara ny vehivavy iray, teo amin’ny lalam-pirenena voalohany, tetsy Ambodiafotsy, anatin’ny kaominina Fenoarivo, afakomaly. Avy nanatitra sakafo ho an’ny reniny izay narary teny anivon’ny hopitaly Fenoarivo, nikasa hody eny Itaosy ny vehivavy iray sy ny olona dimy niaraka taminy. Niam­pita arabe anefa izy ireo rehefa tonga teo Ambodiafotsy […]

Fitiavan-tanindrazana : zava-dehibe ny fananganan-tsaina !

Nanomboka, omaly, tetsy amin’ny araben’ny Fahaleovantena, Analakely, ny fankalazana ny fiverenan’ny Fahaleovantena. Nitarika izany ny filoha Andry Rajoelina izay nanentana ny vahoaka mba hanangan-tsaina ho mariky ny fitiavan-tanindrazana Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ ny alalan’ny fananganan- tsaina, ny fankalazana ny faha-63 taona, niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasi­kara sy ny nijoroan’ny Folo­alindahy Malagasy. […]

Raharaha tao Lalazana : “sambory ny depiote! “, hoy ny havan’ny maty

Vono olona efa nomanina no niseho tany Lalazana, hoy ny fianakavian’ny maty. Miangavy ny fanjakana mba hisambotra ny depiote, ny Kly Martin, izy ireo. Nivoaka tamin’ny fa­hanginany ny fianakavin’i Dawilly, ilay mpandraharaha vatosoa, ma­tin’ny fokonolona tany La­lazana, kaominin’i Soahin­drana, distrikan’i Vohibato, ny sabotsy alina lasa teo. “Mbola sahirana tamin’ny fikarakarana […]