Efa mahazatra! Tao anatin’ny ora-mikija tanteraka, niantomboka ny alin’ny zoma ka tsy nifarana raha tsy ny alarobia maraina teo, ny fankalazana ny fetin’ny Pantekoty tao Toamasina. Teo ihany koa ny fahatapahan-jiro lavareny efa mahazatra ny mponina ao an-toerana. Vokany, dibo-drano tanteraka ny lalana rehetra tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana sy […]
Songadina
Depiote – Kolonely Martin: « Niaro tena ny vahoaka »
Manameloka ny fisamborana faobe nataon’ny mpitandro filaminana ny depiote, voafidy tao Vohibato, ny kolonely Martin. Nambarany fa niaro tena ny vahoaka fa tsy namono olona fahatany. “Tsy mpanao aferam-batosoa fa mpanakan-dalana mpiantsena ireo olona matin’ ny fokonolona tao Tatandratsy, fokontany Lalazana Ambony, kaominina Soahindrana, distrikan’i Vohibato, ny sabotsy alina hifoha […]
Fanavaozana lisi-pifidianana : tsy hisy fisoratana anarana intsony aorian’ny 31 mey
Hifarana anio ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Tsy hisy fisoratana anarana intsony aorian’izay… Hifarana anio amin’ny 12 ora alina ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao. “Aorian’ny 31 mey, tsy misy fisoratana anarana vaovao intsony, fa hisy lisitry ny mpifidy hivoaka rehefa […]
Adin’ny mpirafy : polisy nanindrona antsy, naiditra am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Maroantsetra ilay polisy nandratra tamin’ny tsatok’antsy ny rafilahiny. Mbola anatin’ny fitsaboana kosa ilay niharam-boina noho ny ratra mafy nahazo azy. Tsiahivina, nivoraka ny tsinainy. Ny alarobia 24 mey 2023, niakatra teny anivon’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany, ao Maroantsetra ny raharaha. Mpampianatra ny asan’ity raim-pianakaviana […]
Fitsaram-bahoaka : lehilahy 105 nosamborina !
Lehilahy miisa 105 no voasambotra, omaly. Voasaringotra tamin’ny famonoana ireo telo lahy mpanao aferam-bato , ny alahady alina, tany Lalazana izy ireo. Mbola misy hafa karohina. Olona iray kamiaoben’ny miaramila ireny no nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly maraina. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo telo lahy matin’ny fokonolona tao tatandratsy, fokontany […]




