Songadina

Voly First Immo : hisitraka ny tetikasa ny mpianatra 18 000

Nozaraina tamin’ny mpi­anatra 400 teo anivon’ny EPP Antanimena I indray ny vokatra azo avy amin’ny tetikasa iarahan’ny CUA sy ny First-Immo, omaly. Na­mokatra katsaka 238 kg ity sekoly ity tamin’ny alalan’ny fanatontosana io tetikasa io. Nositra­han’ireo mpianatra araka ny lamina efa na­petrak’izy ireo izany. Raha tsiahivina, miala voly sady mianatra […]

Fakana an-keriny: jiolahy valo, maty voatifitry

11 andro aty aoriana, tsy mbola navotsotr’ireo mpaka an-keriny izy telo mianadahy. Nihena ho 50 tapitrisa Ar ny sandan’ny takalonaina. Maty voatifitry ny zandary ny valo amin’ireo olon-dratsy tao Morarano Chrome. Mitohy hatrany ny “opération Ha­ra­to”, ataon’ny mpitandro filaminana ao amin’ny distrikan’Amba­tondra­zaka, momba ilay trangana fakana an-keriny tao Ambohima­narivo. Tafa­katra […]

Zava-mahadomelina : lasibatra ireo tanora eto an-dRenivohitra

Mirongatra tanteraka ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto amintsika amin’ izao fotoana. Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina tetsy Antsonjombe, ny faran’ny herinandro teo, fa mila hanaovana tetikady ma­nokana izany. “Betsaka ireo sahirana sy maty vokatr’ io zava-mahadomelina mahery vaika io ankehitriny”, hoy ny filoha. Anisan’ny ahitana ny fiparitahan’ny rongony ma­hery vaika toy […]

Fitiavana tsy raikitra : rangahy nananton-tena avy namono ny sakaizany

Noleran’ny lehilahy iray antsy ny vehivavy sakaizany taloha. Maty nananton-tena izy avy eo. Voalaza fa antony namonoany tena ny tahotra higadra. Efa ela no nisaraka ireto mpifankatia izay niara-maty, vokatry ny sotasotan’ilay rangahy. Raha ny angom-baovao voaray tamin’ ny olona mahafantatra azy roa, mpifankatia nandritra ny telo taona izy ireo. […]

Fitantanana eo anivon’ny masoivoho any Frantsa : mitaky ny fialàn’ny mpanolotsaina voalohany ireo mpiasa

Hiroso amin’ny fitokonana, manomboka, anio ireo mpiasan’ny masoivoho any Frantsa. Namoaka fanambarana izy ireo, ny faran’ny herinandro teo, mitaky ny fanesorana ny mpanolotsaina voalohany eo anivon’ny masoivoho any Paris, Randimbiarisoa Ramiakoalisoa Mamonjisoa. Maromaro ireo anton’ny fitakiana amin’ny fomba fitantanana sy fomba fiasan’io mpanolotsaina io, araka ny fanambarana hatrany. “Eo ny […]