Misahotaka ny mpanao politika. Ilaharana ny fidirana ny birao foiben’ny antoko mpanohana ny filoham-pirenena. Tsy hiova daholo ny mpikambana rehetra amin’ny governemanta. Homen-danja ny antoko sy fikambanana mitovy firehan-kevitra amin’ny fitondrana. Eo am-piandrasana izay anarana hisolo praiministra sy ny mpikambana vaovaon’ny governemanta ny olom-pirenena, indrindra ny mpanao politika. Vantany vao […]
Songadina
Fanamboarana governemanta : ho amin’ny fiatrehana sosialim-bahoaka sy fifidianana
Nisaoran’ny filohan’ny Repoblika ireo mpikamban’ ny governemanta tamin’ny filankevitry ny minisitra, teny Iavoloha, afakomaly. Nametra- pialana miaraka tany ambadika? Tsy azo ihodivirana ny fanamboarana. Etsy andaniny, miandry na nampiandrasina izany ireo minisitra nametra-pialana mitokana tany am-boalohany, araka ny loharanom-baovao azo. Amin’izay vao hivaly ny disadisa sy ny visavisa tamin’ny fikasan’ny […]
Mitazam-potsiny ny manampahefana: vazaha manao tsindry hazolena vahoaka
Velon-taraina amin’ny hafitsoky ny manampahefana ao Toliara ny mponina. Milaza ireto farany fa tsy misy ny fandraisana andraikitra, manoloana ny tsindry ataona vazaha iray. Manao antso avo amin’ ny mpitondra fanjakana ny mponina ao Toliara, indrindra ny avy any Mangily amin’ny tsindry hazolena manjo azy ireo. Ampangain’ny mponina any an-toerana […]
Vono olona mahatsiravina : notapahina ary nentin’ ny jiolahy ny lohan’izy mianaka
Nitrangana vono olona mahatsiravina tao Soaserana kaominina Miary Taheza, distrikan’i Sakaraha. Afakomaly maraina, renim-pianakaviana bevohoka 25 taona sy ny zanany lahikely dimy taona no hita faty tapa-doha tsy lavitra ny toeram-pitrandrahana safira ao an-toerana. Noentin’ ireo olon-dratsy nanaraka azy any ny lohan’izy mianaka ireto ary tsy mbola hita hatramin’izao. “Tsy […]
Tolo-kevitry ny Ceni : nankatoavin’ny HCC ny datim-pifidianana
Hatao ny 9 novambra 2023 ny fihodinana voalohany ary ny 20 desambra 2023 ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nankatoavin’ny HCC izany tolo-kevitry ny Ceni izany. Taorian’ny nanoloran’ny HCC antontan-kevitra mirakitra ireo tetiandro momba ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena 2023 teo anivon’ny governemanta, andrasana ny didim-panjakana hahafahana manatanteraka izany, araka […]