Songadina

Nikasa hanao fanafihana… : jiolahy telo indray rotiky ny balan’ny zandary

Rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifampitifirana tao Ambohimandry, distrikan’ Arivonimamo, afakomaly, ireo andian-jiolahy nikasa hanao fanafihana tao an-toerana. Niainga avy ao Imerin­tsiatosika dia efa fantatry ny zandary ny fanafihana nokasain’izy ireo hatao. Name­traka ny vela-pandrika sy nanao fanarahan-dia ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimandry sy Miantsoarivo, notarihin’ny chef […]

Ambohibarikely Anosibe : voatsatoka antsy teo amin’ny vavany i Sitrakiniaina

Valifaty! Tsy fahazakana zava-mahadomelina mahery vaika! Tovolahy iray 16 taona antsoina hoe i Nahoma Sitrakiniaina no notsatohana dimy lahy antsy teo amin’ny vavany teny Ambohibarikely Anosibe , ny talata hariva teo. Nampivarahontsana ny fahitana ny zava-misy satria nitsatoka teo amin’ny vavany sy ny orony ny antsy ka mbola niraikitra teo […]

Oniversite Farafangana: mpangalatra maty norasain’ny mpiambina antsy

Nifampitana tamin’ny mpi­andry tanàna, mpangalatra iray nitondra antsy matin’ny mpiambina tao amin’ny Oni­versite Farafarangana, afakomaly. Sendra ny nahay azy! Maty vokatry ny vono natoan’ny mpiambina ny iray tamin’ireo mpangalatra niditra an-keriny ny faritry ny oniversiten’i Farafangana, ny talata teo. Niditra an-keriny tao amin’io toerana io ny mpangalatra telo lahy nitondra […]

Halatra telefaonina : lehilahy matin’ny tora-bato sy biriky

Rangahy voalaza fa nangalatra telefaonina tetsy Amparibe ka matin’ny fitsaram-bahoaka. Any Manjakandriana anefa no hita ny fatiny. Manahy zavatra hafa ny fianakaviana. Niharan’ny fitsaram-bahoaka ny raim-pianakaviana iray, voalaza fa nangalatra telefaonina, teny Amparibe, anatin’ny boriborintany fahefatra, ny alin’ny alahady lasa teo. “Ni­fanenjehan’ny fokonolona izy ka nitsambikina tao anaty fefy”, hoy […]

Fitsindronana “rôrô”” : mila lalàna manokana !

Tandindonin-doza i Madagasikara, manoloana ny fihanaky ny zava-mahadomelina mahery vaika “rôrô”. Tokony hasiana lalàna manokana ho famaizana ny fitsindronana izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, Razanamahasoa Christine. “Ny amin’ny tsy fandriampahalemana indrindra, na an-drenivohitra na ambanivohitra, ateraky ny firongatry ny zava-mahadomelina: efa mi­tobaka izao ny zava-mahadomelina mahery vaika toy ny […]