Tandindonin-doza ny fahasalamam-bahoaka ! Maniry toy ny anana ny toeram-pitsaboana milaza ho nentim-paharazana. Sehatra iray hanjakan’ny gaboraraka. Mitazam-potsiny ny fanjakana ! Mirongatra izay tsy izy ireo mpitsabo milaza fa nentim-paharazana indrindra ny eto an-drenivohitra! Na tsy manana taratasy fahazoan-dalana ara-dalàna aza ny ankamaroan’izy ireny, na manana fa manita-kevitra manao zavatra hafa ivelan’ […]
Songadina
Raharaha Tanjombato : mpivady sy vehivavy mpivarotena iray voasambotra
Saron’ny polisim-pirenena ny olona telo voasaringotra tamin’ny fakana an-keriny an’ilay ankizilahikely hita faty tetsy Tanjombato ny herinandro lasa teo. Nisy naka an-keriny tetsy 67ha tokoa io zaza io ny alahady 18 febroary lasa teo. Nitaky vola 10 tapitrisa Ar ireo jiolahy ho famotsorana azy. Nandritra izay, ramatoa iray 46 taona […]
Ambohidratrimo: efa-dahy mpangalatra kisoa voasambotra
Jiolahy efa-dahy voasambotry ny zandary rehefa nanararaotra mpivarotra kisoa tao Ambohidratrimo ny asabotsy lasa teo. Nandresy lahatra ny mpivarotra izy efa-dahy. Nahita ireto farany nitondra fiara, resy lahatra avy hatrany ny tompon’entana. Raikitra, araka izany, ny fifanarahana. Kisoa miisa 7 no alain’izy efatra mpisoloky. Nobataina ireo kisoa ary natao anaty […]
Takaitran’ny rivodoza : nitondra fanampiana ho an’ny traboina ny filoha Rajoelina Andry
Nidina tany Mananjary nitsidika ireo traboina noho ny rivodoza Freddy ny fitondram-panjakana notarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, omaly. Nitondra fanampiana ho an’ireo traboina izy ireo nandritra ity fidinana ifotony ity. Nankasitraka ny fitondram-panjakana, indrindra ny filoham-pirenena ireo olom-boafidy miahy ny tanànan’i Mananjary. “Sitraka enti-matory izao ataonao anay izao ka valinay rehefa […]
Tsy tafiditra tao amin’ny Magro: nosakanan’ny Emmo-Nat ny fetin’ ny antoko Tim
Tompony nangataka atiny ! Tsy raikitra ny fifampiarahabana tratry ny taona saika hataon’ny antoko Tim, tao Behoririka. Nobahanan’ny mpitandro filaminana ny toerana. Tsy tontosa araka ny nandrafetan’ny tompon’andraikitry ny antoko Tiako i Madagasikara na TIM, eto Antananarivo renivohitra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nokasain’izy ireo natao, omaly. Tsy navelan’ny mpitandro filaminana […]