Tafaverina amin’ny ray aman-dreniny, omaly, ny zazalahikely vao 7 taona, rehefa nalain’ny mpaka an-keriny teo an-tokotaniny tetsy Ambohidahy Ankadindramamy, ny 13 avrily lasa teo. Voasambotra ireo mpaka an-keriny roa. Nitady vola 10 tapitrisa Ar tamin’ny ray aman-drenin’ny zaza nalainy ireto jiolahy ireto. Nilalao irery teo an-tokontany io zaza io ny […]
Songadina
Halatra 10 tapitrisa Ar : roa lahy mpirafy no namono an-dramatoa
Anjeva Gara! Nalefa eny Tsiafahy ny vadin’ilay ramatoa novonoina. Migadra miaraka aminy ny lehilahy iray voalaza fa sakaizan’ny maty. Mifampiampanga izy roa lahy mpirafy. Mifamahofaho ny raharaha! Miandry ny datim-pitsarana ny olona voarohirohy mivantana na ahiana ho tafiditra tamin’ny famonoana ilay vehivavy, mpamongady legioma teny Anjeva Gara, ny talata 18 […]
Antananarivo Renivohitra : maro ny lalana ho tapaka manomboka rahampitso
Ho tapaka manomboka rahampitso ny ampahan-dalana maro eto amin’ny kaominina Antanananarivo Renivohitra. Fiatombohany, tokanana rahampitso ny Foundation H etsy Ambatomena. Ho tapaka, noho izany, ny lalana Refotana, miainga eo amin’ny Urbania hatreo amin’ny Pharamacia Analakely, rahampitso manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Tsy azo aleha intsony koa ny lalana eo amin’ny […]
Vono olona sy halatra 10 tapitrisa Ar : anisan’ireo nohenoin’ny fitsarana ny vadin’ilay ramatoa
Mbola mitana ny sain’ny maro ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana teny Amboalefoka, fokontany Anjeva Gara, ny herinandro teo. Anisan’ireo niakatra fampanoavana, omaly, ny vadiny niaraka tamin’ireo lehilahy fito hafa sy vehivavy iray… Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo olona voarohirohy tamin’ ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana nitranga teny Amboalefoka, fokontany Anjeva […]
Sarinady Ivondro: miaramila 1 000 hanamafy ny fahaiza-manaony
Manodidina ny 1 000 ireo miaramila mandray anjara anatin’ny sarinady Ivondro 2023, izay hatao ao amin’ny faritra Atsinanana, manomboka ny 28 avrily izao. Hisantatra ity sarinady ity ny filatsahana an’elonaina hataon’ny Tafika avy anaty fiaramanidina ao Toamasina Renivohitra. “Tsy manakana ny besinimaro tsy hijery ny sarinady izany saingy iangaviana tsy […]




