Songadina

CUA – “The real Madagascar”: manampy ny sehatry ny fizahantany

Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa AIOLOS, omaly, momba ny fametrahana ny «Application the real Ma­dagascar». Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Ta­nàna Analakely ny lanonana. Hanampian’ny kaominina ny sehatry ny fizahantany, ny trano fandraisam-bahiny ary ny trano fisakafoana izy ity. Tanjona ny hanampiana ny mpitsidika hanomana ny […]

Mpampivelona novonoim-badiny : nolerana antsy no voakapa famaky

Naiditra am-ponja, rehefa avy niaiky heloka ny lehilahy iray avy namono ny vadiny. Notsindrominy antsy ny mason-dramatoa, mbola nokapainy famaky ny lohany. Ny tendrim-po tsy mba namana! Maty nanamparan’ny raim-pianakaviana ny hatezerany ny va­diny, ny talata lasa teo tany Port Bergé. Nolerany antsy ny voamasony, nokapainy famaky ny tarehiny, araka […]

Tsenan’Anosizato : nahena ny fandoavana haban-tsena ho an’ireo mpivarotra

Nijery ny zava-misy teny anivon’ny tsenan’Anosizato ny ben’ny Tanànan’Antana­narivo sy ny mpiara-miasa aminy, omaly maraina. Noho ny fisian’ny krizy, nohalefahiny ny fandoavana ny haban-tsena mbola tsy voaloan’ireo mpivarotra eny an-toerana. Maro ny fangatahana na­taon’ireo mpivarotra nandritra ny fihaonana. Nitaky ny fitaovana hanadiovana sy hana­lana ny fako mitoby eny anivon’ny tsena […]

Fanovana fomba fiasan’ny governemanta : notakin’ny filoha vokatra anaty fe-potoana ireo minisitra

Niarahaba ireo minisitra, mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Natsidiny sahady koa anefa ny fomba fiasa vaovao, manomboka izao ka nanafarany ireo minisitra tsirairay avy. Nambarany tamin’izany fa tsy maintsy mametraka tetiandro avy izy ireo ka ho tsapa sy ho hita anatin’ny telovolana sy […]

CUA – Pavillon Analakely: tokony hanaja lamina ny mpivarotra

“Eo ambany fiadidian’ny kaominina Antananarivo Re­nivohitra ny tsena rehetra misy eto an-toerana”, hoy ny mpanolotsain’ny kaominina, Ravololomanana Lalatiana, omaly. “Tokony hanaraka ny lamina apetraky ny Kao­minina ireo nahazo alalana hivarotra rehetra”, hoy hatrany izy. Fantatra fa tsy mitovy hevitra ny mpivarotra vitsivi­tsy ao amin’ny tsenan’ny Pavillon Analakely amin’izao fotoana izao. […]