Songadina

Vaviantitra novonoina : nofiraina antsy tamin’ny tendany

Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny renim-pianakaviana iray, tokony ho 71 taona. Notrobarana tamin’ny antsy ny tendany, mbola nahitana ratra ny tanany, omaly. Vono olona tsotr’izao! Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray efa lehibe monina ao amin’ny tanànan’Ambo­hindra­na­dy, anatin’ny fokontany Am­bohimahatsinjo, Kaomini­na Manandroy, distrikan’Am­bo­himahasoa, omaly vao ma­raina. Hita faty […]

Halatra volam-bahoaka : 400 tapitrisa Ar nanjavona tao amin’ny “Trésorerie”

Hatramin’ny omaly hariva, atao fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro filaminana ireo olona fito mpiasa ao amin’ny “Trésorerie Prin­ci­pale” Ambalavao. Voasa­rin­­gotra amin’ny raharaha nahavery ny vola 400 tapitrisa Ar izy ireo. Ny alatsinainy teo, voamarin’ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana fa tsy hita tao amin’ny fitoeram-bola io vola mi­tetina 400 tapitrisa Ar […]

Naiditra am-ponja ry Jajabiby: jiolahy raindahiny, mpampihorohoro !

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy ry Jajabiby sy ny namany. Voalaza, ho isan’ny jiolahy raindahiny, mpangalatra moto sy mpandrahona olona amin’ny basy izy ireo. Tra-tehaky ny mpitandro filaminana, efa naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, i Jajabiby. Anisan’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fangalarana moto niharo fanapoahana basy mahery vaika tao Ankirihiry Toama­sina, ny zoma lasa teo. […]

Tsatoka antsy : roa lahy voaendaka, voatrobaka ny kibony

Naratra mafy notsatohan’ny jiolahy antsy ireo olona voalaza avy nijery fampisehoana teny Analakely, afakomaly hariva. Mody eny Ano­sipatrana izy roa lahy ireto, saingy niala tamin’ny taxi-be teo Andavamamba no narahan’ny jiolahy telo avy aoriana. Teo amin’ny lalana pavé mivoaka eo amin’ny fiangonana iray eo Andavamamba no nanaovan’ireo olon-dratsy ny asa […]

Razanamahasoa Christina: malahelo amin’ny fifampihantsiana politika

Tena efa tafahoatra ka tsy afaka ny hangina intsony! Tsy mankasitraka ny lahateny fihantsiana nahazo laka tato ho ato ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Chirstine. Notsiahiviny ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika. “Fo­toana izao hanomezana vahana ny fitoniana… “, hoy izy tany Ambositra, ny sabotsy teo. Nanteriny fa tokony lahateny mivoy […]