Nitokana fotodrafitrasa tany Ambositra ny filoha Rajoelina Andry niaraka amin’ny rodoben’ireo depiote maherin’ny 80 ary ny mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta. Tanteraka any an-toerana ary vita ny Velirano miisa 13. Miisa enina ireo fotodrafitrasa notokanana tamin’izany ka anisany ny fonja, fitaleavam-paritry ny Minfop, polisim-pirenena, EPP, gare routiere, kianja manara-penitra. Ahitana […]
Songadina
Mandriambero – RN4 : nosokirina tao anaty fiara ny mpamily
Niseholany ny lozam-pifamoivoizana ny faran’ny herinandro teo. Olona roa namoy ny ainy ka anisany ilay mpamily fiara tra-doza tetsy Mandriambero, kaominina Ambohidratrimo, omaly vao maraina. Maty tsy tra-drano, mpamily fiara iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo Mandriambero, anatin’ny RN4, Pk 12 + 300 , omaly vao maraina. Tamin’ny 4 ora sy sasany, […]
Fitsidihana ny any Amoron’i Mania: hitokana fotodrafitrasa maromaro ao Ambositra ny filoha
Hihazo ny any amin’ny distrikan’Ambositra any indray ny filoha Rajoelina Andry sy ny delegasionina hotarihiny ,anio. Anisan’ny anton-diany any an-toerana ny fitokanana sy fanolorana ireo fotodrafitrasa maromaro any an-toerana. Anisan’izany ny fahavitan’ny fonjabe ao Ambositra, ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka sy ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny minisiteran’ny Asa, ny Fampanan’asa. Eo […]
Nikasa hamindra razana… : olona 3 sempotra maty tao am-pasana
Andro miditra! Olona telo indray namoy ny ainy vokatry ny famonjena olona telo hafa (vehivavy roa sy lehilahy iray) sempotra tao am-pasana tao Ambohimahasoa, omaly… Nampivarahontsana! Lehilahy telo indray maty tao am-pasana tao Ambodihady Imasy, fokontany Andoharondra, kaominina ambanivohitr’Ampitana, distrikan’Ambohimahasoa, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Araka ny fampitam-baovao voaray avy […]
Cua – Asa sosialy : ankizy 318 tsy manan-kialofana nizarana sakafo mafana
Nizarana sakafo mafana ireo ankizy 318 tsy manan-kialofana ao amin’ny ivontoerana Madcap Isotry sy Seba Antohomadinika, omaly. Nisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominin Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny Mponina ary ny Léo Club Antananarivo Ravinala, nahafahana nanao ny hetsika. Tanjona ny hanampiana sy hikarakarana ireo ankizy tsy manan-kialofana ireo, raha […]




