Songadina

Fanondranana Letisia: notorin’ny GEL i Ketakandriana

Voaantso teny anivon’ny polisy ekonomika Anosy, ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagascar, Ratoa Ketakandriana Rafitoson, omaly. Mpitory ny vondron’ny mpanondrana Letisia na ny GEL. Nampanatsoin’ny teo anivon’ny polisy ekonomika, etsy Anosy ny tale mpanatanteraka eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagascar na ny TI-IM, Ratoa Ketakandriana Rafitoson, omaly. […]

Gorobakin’ny bala: zandarin’ny FIGN, nitifi-tena teo amin’ny fony

Teo am-panatontosanairakaniarakatamin’nympiara-miasaaminy, nitifi-tenatamin’nyfitaovam-piadianatenyaminyny GPC2 iraytaoamin’nytanànairayanatin’ny Belo Tsiribihina, afakomaly. Nitifi-tenanifanandrifynyfony, namoynyainyvokatrynyfahaverezan-dra be loatranyzandary GPC2 AndriambololoneraSolofoniaina Ronaldo taoamin’nytanànan’Andranomiely, kaomininaAmbiky, distrikan’i Belo Tsiribihina,afakomaly. Avyamin’nyFIGN/Escamixtenanaofampandrian-tanytaoamin’nyfaritraMenabeniarakatamin’nympirayvondronataminyizy.  Tao anatytanymangahazoniarakatamin’nyfitaovam-piadiana AKM ityzandaryity. Tsynisynanampo, notifirinytamin’iobasytenyaminy io ihanynytenany. Nifanitsymivantanatamin’nyfonyanefaizany ka tsynisy azo nialananenina. Marihina fa nanatonanympitsabompanampy am-perinasanohonyolanymanokanaityzandaryity,ny 20 novambra. Nahazofitsaboanasahazaazyizynandritraizany.   Tsynisynananaolana Androvitsytalohan’nynanombohan’nyfidinanaifotonynataon’ireozandaryhamitairakamanokanatao Belo Tsiribihina, nanontanynylehiben’nyComGNraha toa ka misy […]

Indraimbava: Am-bava homana, tompoko ! 

Nanakoako tamin’ny tambajotran-tserasera ny faharendrehan’ny lakana na Sambo nitondra ny ampahany tamin’ny Tarika Wawa, omaly, tany amin’ny faritra Analanjirofo. Tranga iray, hanentanana ny mpivezivezy sy mpampiasa ny fitaovam-pitaterana an-dranomasina amin’ny tapany Avaratra Antsinanan’ny Nosy iny mba samy ho malina. Anatin’ny vanim-potoana fahavaratra isika ankehitriny, mahery ny riaka sy ny tafiotra.  […]

Fitetezam-paritra: nieren-doza ny tarika Wawa sy Black Nadia

Samy nieren-doza ny tarika Wawa sy Black Nadia, omaly. Andaniny, sendra olana teny afovoan-dranomasina iry voalohany; ankilany, nisy jiolahy nanakana ny fiara nitondra ity faharoa. Na izany aza, avotra soa aman-tsara ny rehetra. Omaly tolakandro, nandefa filazana tamin’ny “facebook” i Wawa: “Mangataka vavaka avy aminareo havana sy namana jiaby fa […]

Fikaroham-bahaolana: handrafitra ny fanorenam-pirenena ny FFKM

Hotanterahina any Ambatondrazaka, manomboka rahampitso, ny komity foibe andiany faha-44 eo anivon’ny FFKM. Hamoaka ny fehinkevitra amin’ny famaranana izany ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Tafiditra ao anatin’izany ny fiainam-pirenena ankapobeny sy ny vahaolana avy amin’izy ireo momba izany. “Tsy mivaona amin’ny fanorenam-pirenena izany fehinkevitra izany”, hoy ny loharanom-baovao eo anivon’ny FFKM. […]