Niakatra indray ny vidim-bary eny an-tsena nanomboka, omaly. Haratsian-dalana noho ny orana sy tsy fahampian’ny tahirin’ny tantsaha no nambaran’ny minisiteran’ny Varotra ho anton’izany. Mitaraina amin’ny vidim-bary eny an-tsenakely avokoa ireo mponina ho an’ny eto an-dRenivohitra, nanomboka ny tapaky ny volana desambra teo. Araka ny nambaran’ny mpamongady vary iray etsy amin’ny […]
Songadina
Jean Eric Duluc : « Hiroborobo ny fizahantany eto Madagasikara »
Azo antoka ny firoborobon’ny sehatry ny fizahantany ho an’i Madagasikara amin’ity taona 2023 ho avy ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona iraisam-pirenena ny fizahantany (FIT), Jean Eric Duluc, omaly. Taorian’ny krizy ara-pahasalamana nandalovan’ny firenena maneran-tany, efa manomboka misokatra ary mivelatra amin’ireo firenena hafa amin’io sehatra io ny eto Madagasikara, hoy […]
Ankazobe : zandary voalaza fa nitifi-tena tsy nahy
Namoy ny ainy omaly ihany ilay zandary voalaza ho nitifi-batana tao Ankazobe. Hatreto tsy mbola voafaritra mazava ny zava-nisy marina na nitifi-tena na tsy nahafehy ny basy teny an-tanany izy. Nirefotra ny basy omaly maraina. Maty tsy tra-drano ilay zandary “hors classe” voatifitra teo amin’ny sorony, tao Ankazobe. Tokony ho […]
Taom-pifidianana ny 2023 : mila ary itakiana fitoniana tanteraka
Fifidianana no hibahan-toerana eo amin’ny tontolo politika sy ny fainam-pirenena ankapobeny amin’izao taona 2023 izao; eny, na any amin’ny faramparan’ny taona aza izany. Efa ao anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana tanteraka izao. Hanao ahoana? Laingalainga, toa mila ho raiki-tampisaka amin’ny mpanao politika sasany ny fanahiana sy fahatahorana krizy politika mialoha […]
Zatovo mamon-drongony: zandary roa notsindroniny antsy
Noleran’ny tovolahy iray antsy avy ao ivohony ny zandary nandrindra fifamoivoizana, omaly. Voadidy teo amin’ny tanany ny zandary iray hafa, nanavotra ity namany ity. Maty noho ny ratra nahazo azy nandritra ny fisamborana ilay mpidoroka. Solo, izay no anarana fiantsoan’ny mpiray tanàna azy. Tovolahy sady mpidoroka no mampihorohoro ny mponina. […]