Nidina ifotony teny anivon’ny tsenan’Ambohimanarina ny ben’ny Tanàn’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, omaly. Antony, mba hahafahany mijery sy mihaino ireo fitarainan’ny mponina sy ny mpivarotra eny an-toerana. Nandritry ny fidinana ifotony, nilaza ny ben’ny Tanàn’Antananarivo fa tsy maintsy hohavaozina ny fotodrafitrasa rehetra eo anivon’ny tsena. Nohamafisiny fa asiana jiro manazava “eclairage pubic” […]
Songadina
Teo am-pijerena Barea: lehilahy voatafika, maty voatsatok’antsy
Maty voatsindron’antsy teo amin’ny fony ny lehilahy iray, omaly, tetsy Ambalavao Isotry. Nisy nanafika tao an-tsenany izy, nandritra ny lalaon’ny Barea sy ny liona avy any Sénégal. Lehilahy iray, 22 taona tompona tsena fivarotana kojakojam-bisikleta iray etsy Ambalavao Isotry no tra-doza, omaly vao mangirandratsy. Voatsatok’antsy noho ny hetraketrak’ireo jiolahy nanafika […]
Fakana an-keriny tovovavy: jiolahy enina azo voasarika am-pandriana, roa hafa karohina
Voasambotra tao anatin’ny efatr’andro misesy ireo olon-dratsy voatondro ho naka an-keriny tovovavy iray tao Andranomisy, distrika Anjozorobe. Tratra nanomboka ny 24 ka hatramin’ny 27 janoary teo, tao Bemahia kaominina Marotsipoy sy Anosivolakely kaominina Andranomisa avokoa izy rehetra. Ary natao sarika am-pandriana mihitsy, hoy ny fanazavan’ny zandarimarian’Imerina centrale, nandray an-tanana ny […]
Ezaky ny mpitondra: nahavita dingana amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fanjakana
Nisy fivoarana sy ezaka. Namoaka fanambarana amin’ny maha mpitondra tenin’ny governemanta azy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Andriantongarivo. Nivoitra tamin’izany fa nihatsara toerana amin’ ny ady amin’ny kolikoly i Madagasikara, tao anatin’ny efa-taona farany. Nanomboka ny taona 2019 izany ka nahazoantsika toerana any amin’ny faha-16. Tsy nifanalavitra […]
Toliara- Kolikoly : mitaraina amin’ny afitsoky ny mpiasam-panjakana ny mponina
Mampiaka-peo amin’ny hafitsoky ny mpiasam-panjakana sasany ao an-drenivohitr’i Toliara amin’izao fotoana izao ny mponina ao an-toerana. Milaza azy ho lasibatry ny tsindry hazolena, kanefa tsy manana tompon’andraikitra hitarainana intsony izy ireo. Trangam-piarahamonina maromaro toa ny herisetra, fanambaniana, vono olona avy any Ifaty izao no niakaran’ny vahoaka miaraka amin’ny sora-baventy, tao […]