Songadina

Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly : mametraka ny mangarahara amin’ny fomba fiasa ny CUA

Natao ny sabotsy 10 de­sam­b­ra teo tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, ny fa­namarihana ny fankalazana ny « Andro iraisam-pirerenena amin’ny ady amin’ny kolikoly ». Lohahevitra novoizina tamin’izany ny : « Aiza ny ady amin’ny fitantanana ny tanànantsika ? ». Nitarika ny fa­me­lam­belaran-kevitra tamin’izany ny ben’ny Tanànan’ Anta­nanarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina […]

Hanatitra « versement »: lasan’ny jiolahy ny vola 140 tapitrisa Ar

Norobain’ny jiolahy ny vola iray sakaosy, rehefa avy nifampisintomana teny ambony posy, ny zoma lasa teo. Tsy nisaron-tava sy nanapoaka basy ireo olon-dratsy. Nirongo fitaovam-piadiana, tsy tahotra tsy henatra, napoakan’ireo jiolahy roalahy teo afovoan’arabe tao Ambolomadi­ni­ka tao Ambolomadinika anoloan’ny biraon’ny Sekri­ma, Toamasina basy ka lasany ny vola tamina sakaosy teny […]

Jery taratra…

Tsy fahatokisam-pitsipahana Nisy ny fiantsoan’ny Antenimierampirenena ny Praiminisitra sy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nikaton-trano ny fihaonana tamin’izany. Saingy nivoaka tamin’ny tsiliantsofina tetsy sy teroa ihany fa ny Ante­nimierampirenena no hoe manontany sy manara-maso ny asa sy izay ataon’ny governemanta, fa tsy ny mifamadika amin’izay: ny governemanta indray […]

Bianco – Ady amin’ny kolikoly: anaovana angaredo­na ny tambajotran’ny tsimatimanota

Nomarihina, omaly, ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. Nampita ha­fa­tra momba izany ny eo anivon’ ny Bianco, manoloana ny tranga miseho eto amin’ny firenena. “Tsy maintsy akatona miaraka ireo hirika manome va­hana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-panjakana sy ny harem-pirenena. Andao hiara-mientana hitsipaka ny tsikombakomba sy ny tambajotran’ny tsimatimanota […]

Nangalatra 7 000 Ar : zazavavikely nafatotra tongotra aman-tanana

«Zanaka tiana tsy hitsitsian-drotsakazo», hoy ny Ntaolo. Mivadika ho heloka bevava kosa rehefa mihoatra ny tokony ho izy. Saika maty noho ny vono nataon-dreniny ny zazavavikely tratra nangala-bola, omaly. Tsy misy fo nangoraka amin’ny maha reny! Sady nodarodarohany no nofatoran’ny ramatoa ta­min’ny tady ny zazavavikely iray, omaly, tao amin’ny tanànan’i […]