Songadina

Mandriambero : lehilahy iray nitsoraka tao ambany kamiao

Tranga mampalahelo. Raim-pianakaviana iray 35 taona namoy ny ainy, omaly, rehefa avy nitsoraka tao ambany kamiao nandalo teny Mandriambero Andrano­ta­pa­hana. Tokony ho tamin’ny 01 ora tolakandro teo, nandeha tahaka ny olon-drehetra eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra izy. Nahita ka­miao iray nandalo, avy hatrany dia nitsoraka tao ambanin’ny kodiarana. “Nandeha mora […]

Ankorondrano : notokanana ny lalana Ranohisoa Seth

Notokanana, omaly, ny la­lana Ranohisoa Seth etsy An­korondrano. Tonga nanatrika izany ny ben’ny Tanà­nan’An­tananarivo Renivohi­tra, An­drian­tsitohaina Naina. Nataon’ ny ben’ny Tanàna ho laharam-pahamehana ny fa­metrahana ireo anaran-dalana eto Anta­nanarivo Renivohitra, ho an’ireo olomanga sy raiamandreny, noho ny fankasitrahana ny soa nataony teto Antananarivo sy ireo mpiara-belona rehetra nifanerasera taminy ary […]

ENS Ampefiloha: polisy roa naratra voatora-bato

Voatora-bato teo amin’ny lohany, naratra ny roa tamin’ireo polisy nandrava ny fihetsiketsehan’ny mpianatra tetsy ivelan’ny ENS Ampefiloha, omaly. Vao maraina, niatrana teny an-toerana ireo mpianatra nanao fitakiana. Nilanja sora-baventy, nanomboka ni­kononkonona tamin’ny fanangonam-bato izy ireo. Niga­dona teny amin’ny manodidina noho izany ny mpitandro filaminana handamina ny raharaha. Nampiakatra ny hatezeran’ireo […]

« Cocaïne » 18 kitapo: tsy nahazo fahafahana ilay “assistant parlementaire”

Niakatra tao amin’ny lapan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly, ny raharaha momba ny zava-mahadomelina mahery “Cocaïne” naha voasaringotra ny “Assistant parlementaire” avy ao Vangaindrano. Nolavin’ny fitsarana ao Toamasina, omaly, ny fangatahan’ilay «assistant parlementaire» ao Vangaindrano voatonontonona tamin’ny fahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika. Nandritra ny famakian’ny mpitsara ny […]