Songadina

CUA : Nohalefahana ny hetran-trano, tsy mandoa ny fiangonana sy sekoly

Nirovy tsy ara-potoana tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny eo anivon’ny filankevitra monisipaly, oma­ly. Anton’izany ny fangatahan’ny mpanatanteraka amin’ny hanalefahana ny hetra. No­dinihina nandritra izany ny fanitsiana ny fanapahana “Dé­liberation N°002-CUA/ CM/Délib.22” momba ny fanalefahana ny hetran’ny taona 2021 sy ny 2022 ho an’ireo mpandoa hetra rehetra manerana ny boriborintany […]

Nirefodrefotra ny basy: jiolahy roa voatifitra, tafaverina ny volabe

Nirefodrefotra ny basy teny Ambatomirahavavy, omaly atoandro. Lavon’ny zandarimaria ny jiolahy roa, nandroba vola mitentina 17 tapitrisa Ar. Atao hazalambo ireo namany. Nanakoako teny Amba­to­mirahavavy ny poa-basy, omaly. Nifanen­jehana ireo mpandroba, nikasa ny haka ilay volabe t$anaty sakaosy. Niala maina anefa rehefa tonga ara-potoana ny zandary. Tafaverina ny vola. Taorian’ny […]

Fihaonana tamin’ny HCC : manao tombana ny fanomanana fifidianana ny Sadc

Mitohy ny fihaonan’ny eo anivon’ny iraky ny Sadc amin’ireo mpisehatra politika sy ireo lehiben’Andrim­panja­kana. Anisan’ny nihaona tamin’izy ireo ny filohan’ny HCC, Rakotoariso Florent, tamin’ity herinandro ity. “Tonga eto izy ireo mijery ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana ary koa ny hanatsarana izany. Eo koa ny tombana nataon’izy ireo manoloana […]

Jiolahy efa-dahy nirongo basy : voaroba ny lavanila 90 kg sy vola antapitrisany

Nanaovan’ireo jiolahy rotsak’alina, nirefotra ny basy ka lasa ny vola antapitrisany tao amin’ny fokontany Ambondrona, distrikan’Antalaha, ny alin’ny 27 hifoha ny 28 novambra teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray anatin’ny fokontany Ambondrona ireo efatra mirahalahy nirongo basy, ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady teo. Notifirin’ireto mpandroba ireto avy hatrany […]

Filoha Rajoelina Andry: “Iaraha-manao ireo asa tsy mbola vitantsika…”

Namaranan’ny filoha Ra­joelina Andry ny fidinana ifotony tany Manakara ny fito­kanana ilay fotodrafitrasa fiarovana ny morontsiraka “Brise-lames”, ao Manaka­rabe. “Anisan’ny imasoan’ny fanjakana ny fotodrafitrasa manakaiky vahoaka sy ilain’ ny eny ifotony tahaka izao”, hoy izy. Nanteriny fa efa betsaka ny asa vita. Na izany aza, niaiky ny tenany fa tsy […]