Songadina

Aretina vokatry ny loto: mirongatra ny lagaly, mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana

Nahitam-piakarany ny tahan’ny olo­na voan’ny aretina lagaly tao ana­tin’ny roa tao­na izay, raha ny zava-misy eny anivon’ny toeram-pitsaboana nanaovana fanadihadiana. Mampalahelo fa heverin’ny ankamaroan’ny olona fa aretin-koditra vo­katry ny tsy fahazakana sakafo na aretin’aty izy io. Nahitana fitomboana ny trangan’aretina lagaly amin’izao fotoana izao. Taloha nahalana be ny fahitana olona […]

Fiarovana ny tontolo iainana : mampihena ny fandaniana ny fampiasana arina maitso

Azo lazaina fa mbola vitsy ny olon-tsotra manjifa ny vokatra vita amin’ny arina ekolojika eto Madaga­sikara. Anisan’ny mampihena ny vola mivoaka eo anivon’ny tokantrano tsirairay kosa anefa ny fampiasana azy io. Miankina tanteraka amin’ ny fampiasana ny arina fandrehitra sy kitay avokoa ny 95% ny tokantrano eto Madagasika­ra. Mbola lafo vidy ho […]

Sehatry ny fandraharahana : mila fahaizana ny fisafidianana ny filan’ny mpanjifa

Tsy nateraka han­draharaha avokoa ny olon-drehetra fa mila mianatra sy ma­naraka fiofanana izy ireo raha te hisehatra amin’izany. Tsy fahaizana ihany fa mitaky toe-tsaina ao anaty ahafahana miatrika ny olana rehetra. Maro ny mihevitra fa anisan’ny mahatafita ny ankamaroan’ny olona sy ny mpandraharaha maro ny vintana. Betsaka amin’izy ireo ihany koa […]

Oniversiten’i Toamasina : mihatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fifampiresahana

Tao anatin’ny ta­ona maro nitondran’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina ankehitriny. Maha­tsa­pa ny rehetra fa nihatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fi­fampiresahana eo amin’ny rehetra. Maro ny tanora, malagasy sy vahiny, mandrato fahalalana eny anivon’ny oniversite eto amin’ny Nosy. Anisan’izany ny oniversiten’i Barikadimy sy ny any Ambatondrazaka, Vato­ma­ndry ary Fenoarivo Atsina­nana. Mitondra […]

Tambajotra facebook : efa mpikambana ny 52% ny ankizy 8 hatramin’ny 19 taona

Tambajotra so­si­aly lehibe indrindra maneran-ta­ny ny facebook. Naorin’i Mark Zuckerberg tamin’ny taona 2004 izy io. 600 tapitrisa ireo mpikambana sy mpisitraka izany maneran-tany amin’izao fotoana. Manodidina ny 3,15 tapitrisa kosa ireo mampiasa tambajotra so­sialy ary 3,05 tapitrisa ny mpampiasa facebook eto Madagasikara, araka ny fanadihadiana sy ny tatitra nataon’ny Reporter […]