Anisan’ireo singa iray ahafahana mampangirana zavatra ny savoka, ary betsaka amin’ny Malagasy no mampiasa izany hanadiovana trano. Efa mahatratra 30 000 Ariary ny kilaon’izy ireny eny an-tsena. Ny savoka. Akora iray manana toetra manokana, malefaka sy mora miempo rehefa misy hafanana ny savoka ary mivaingana rehefa mangatsiaka. Araka ny fanadihadiana […]
Songadina
Tombontsoa ho an’ny fahasalamana : Legioma manan-karena otrikaina sy mahasalama ny voatabia
Vokatra iray betsaka eto Madagasikara ny voatabia. Tafiditra indrindra ho anisan’ny sakafo mahasalama sy mampatanjaka ny fihinanana azy. Manan-karena voly sy vokatra maro samihafa i Madagasikara. Anisan’izany ny voatabia izay mitondra hery sy fahasalamana ho an’ny vatan’olombelona. Legioma manan-karena otrikaina sy manome vokatsoa ara-pahasalamana maro ihany koa izy. Tsy vitan’ny […]
Tontolon’ny fiompiana : Mihalany ny omby eto Madagasikara
Tantara sisa. Tany amin’ny taona 60, 70, ny hoe: betsaka ny isan’ny omby no ho ny mponina eto Madagasikara. Tamin’izany fotoana, voalaza fa nisy sivy tapitrisa ny omby, ny mponina teo amin’ny fito tapitrisa. Amin’izao fotoana, manoloana ny ataon’ny zanakolombelona 30 tapitrisa eo ho eo eto Madagasikara, mandalo tantara hafa […]
Antsirabe: Milamina sy madio ary mora ny vidim-piainana
Betsaka amin’ireo faritra eto Madagasikara no manana ny mampiavaka azy. Anisan’ireo manana ny lazany manokana, indrindra amin’ny lafiny fahadiovana, Antsirabe. Faritra iray mahasarika olona maro noho ny fahadiovany sy ny filaminany Antsirabe. Nisy ny fanadihadiana ifotony teny amin’ny tanàna an-dRenivohitra Antsirabe, ny asabotsy lasa teo. Araka ny tazana eny an-toerana, […]
Kaominina Antambolo : Manomboka mamboly sakay pilokely sy vavamborona
Mpamboly avokoa ny 90% ny mponina any amin’ny kaominina Antambolo, distrika Arivonimamo, faritra Itasy, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny ben’ny Tanàna any an-toerana. Maro karazana ny vokatra vokarin’izy ireo. Ahitana ny voatabia, ny voasary sy ny vary ary ny maro hafa. Anisan’ny mamatsy vokatra voatabia ho an’ny tanànan’i Mahitsy, i […]




