Efa ao anatin’ny fotoam-piotazana letisia ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Somary nahitana fihenana ny vokatra miakatra sy ny mpanangom-bokatra tamin’ity taona ity. Lasa aloha loatra kosa ny fahamasahan’ny vokatra eny an-tsaha. Nosokafana ny 12 novambra tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro teo, ny taom-piotazana ny letisia eto amin’ny Nosy. […]
Songadina
Komity iombonan’ny mpiasa malagasy: “Marary ny tontolon’ny asa eto Madagasikara”
Mbola misedra olana manoloana ny hakelin’ny karama sy ny fahatapahan’ny jiro sy rano matetika ny mpiasa malagasy. Miantso ny filoham-pirenena sy ny governemanta ny Komity iombonan’ny mpiasa malagasy sy ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa isan-tsokajiny ny hijerena sy hamahana izany olana izany, raha ny fanambarana nataon’izy ireo. Marary ny tontolon’ny […]
Kolontsaina sy fialamboly: 50 000 hatramin’ny 40 000 000 Ariary ny fanamby amin’ny adin’akoho
Efa mahazo vahana eto Madagasikara ny sehatry ny fampiadiana akoholahy. Ahitana izany avokoa ny eny anivon’ny fokontany sy distrika ary kaominina maro samihafa. Anisan’ny fialamboly sy fitadiavam-bola ho an’ny ankamaroan’ny olona izany. Saika ahitana hetsika fampiadiana akoho foana eto Antananarivo isaky ny herinandro. Marobe ireo olona manatrika izany, lehilahy avokoa […]
I Sincere sy i Jeremy : vao 15 taona fa efa tompondakan’ i Afrika amin’ny Motocross
Mametraka tantara amin’ny taranja Motocross eto Madagasikara sahady i Leung Yen Sincere sy Rakotoarimanana Jeremy. Vao 15 taona monja dia efa nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana «Motocross of African Nation (Mxo AN )”. Mizara ny traikefany izy ireo. Fanadihadiana ! Nahazo vokatra tsara ny Malagasy mpanamory nandritra ny fifanintsanana “Motocross […]
Migadra mandra-pahafaty : mpirahalahy namono ny ray aman-dreniny
Niakatra fitsarana, omaly, ireo mpirahalahy, nilaza fa noentin-javatra ka namono ny ray aman-dreniny sy ny zandriny. Voasazy higadra sy manao asa an-terivozona mandra-pahafaty izy ireo. Hafa kely, tsy faheno matetika….! Notsaraina teo anivon’ny sampam-pitsarana misahana ny ady heloka bevava tany Toamasina, ny zoma 8 novambra lasa teo, ireo mpiray tampo […]