Vitsy no manao ny famorana antsakany sy andavany ankehitriny noho ny antony maro. Mbola ataon’ny rehetra kosa anefa izany, indrindra ny Malagasy. Fanesorana ny lohatsitsy na ilay hoditra mamono ny lohan’ny taovam-pananahan’ny lehilahy iny no atao hoe famorana. Anisan’ ireo firenena manao izany ary manasokajy azy ity ho fomba mihitsy […]
Songadina
Taon-jato faha-21: mitombo ny fandaniana solika eto Madagasikara
Mitombo 2,1 % ny fanjifana solika amin’ity taona 2024 ity raha oharina tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitra navoakan’ny OMH (Office malgache des hydrocarbures). Be mpanjifa indrindra ny gazoala ary mitombo hatrany ny fampiasana azy. Porofo iray ny fahalotoan’ny tontolo iainana. Nahatratra 563 167 m3 ny solika lany nandritra ny enim-bolana voalohany […]
Fetin’ny maty ao Morafeno : mampifanindran-dalana ny fomba kristianina sy nentin-drazana
Fomba tsy dia fahita sy re matetika ny fanatsarana ny rafi-piarahamonina ao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina ambanivohitr’i Maromitety, distrikan’i Vavatenina. Dimy taona lasa izay, nampifandraisina ny finoana kristianina sy nentin-drazana rehefa hankalaza ny fetin’ny maty ary hita fa tsara ho an’ny rafi-piarahamonina ao an-tanàna izany. Tsy misy mifanome tsiny sy […]
Sôva sy ny vaky sôva: Kolontsaina mitantara sy mitsikera ny fiainam-bahoaka
Mozika sy gadona iray manana ny lanjany eny anivon’ny fiarahamonina ny sôva. Kolontsaina iray manana ny maha izy azy, indrindra eto amin’ny faritra Analamanga izy io. Raha ny zava-misy, vitsy ny mahafantatra azy noho ny tsy fahampian’ny hetsika fampahafantarana izany eto amin’ny Nosy. Mitantara sy miventy an-kira ny fiainam-bahoaka misy […]
Iray volan’ny hetra : fanamorana ny fandoavan-ketra, tsy misy sazy ho an’ny taona 2021
Hifarana ny 7 Novambra hoavy izao ny iray volan’ny hetra natao teto Antananarivo Renivohitra. Misy ny fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny avy ao amin’ny DRI «Administration Fiscale» sy ny «Trésor public» nahafahana nanao izany. Tanjona amin’ity hetsika iray volan’ny hetran-trano ity ny hamerenena ny rehetra ao anatin’ny fahatsiarovan-tena ho […]