Miaina tanteraka ao anatin’ny fahalotoan’ny rivotra ny firenena maro maneran-tany, tato anatin’ny taona maromaro izay. Voakasik’izany, indrindra ny renivohitra, noho ny habetsaky ny fiara sy kodiarandroa mifamezivezy. Anisan’ny miaina izany koa ny eto Madagasikara, anisany Antananarivo. Mahatratra 91% ny mponina maneran-tany no miaina miaraka amin’ny rivotra maloto. Ambony kokoa ny […]
Songadina
Toliara : vehivavy 700 nisitraka fitiliana momba ny homamiadana
Nahasarika vehivavy maro ny hetsika “October Rose” tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana, ny alahady teo. Hahazo fitsaboana sy fandraisana an-tanana maimaimpoana ireo vehivavy fantatra sy voatily fa misy aretina homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza nandritra ny hetsika. Nikarakara hetsika “October Rose” ireo vehivahy mpandraharaha ao anatin’ny faritra Atsimo Andrefana […]
Fampandrosoana eny ifotony : nahitana atrikasa 10 ny tetikasa Rindra tany Analanjirofo
Anisan’ny faritra nisitraka atrikasa maro avy amin’ny tetikasa Rindra ny faritra Analanjirofo. Nahazo vahana, nandritra izany, ny fampiofanana ireo andrimpanjakana maro samihafa any an-toerana. Efa nahatratra 10 be izao ny atrikasa tontosan’ny tetikasa Rindra tao amin’ny faritra Analanjirofo, hatramin’ny 12 oktobra 2024 teo. Nahitana distrika telo: Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina ary Soanierana Ivongo. 19 tamin’ireo […]
Asan-jiolahy ao Toamasina : natolotra ny fampanoavana ireo zandary telo lahy
Voasaringotra ho miray tendro amin’ny asan-jiolahy ao Toamasina ny zandary telo lahy am-perinasa any an-toerana. Voasambotry ny polisin’ny Fip ny zoma teo ka natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy teo izy ireo. Miara-miasa sy mpamatsy basy ny jiolahy manao ny asa ratsy ao Toamasina ireto zandary telo vaosambotra ireto, raha ny […]
Kolontsaina malagasy : nanana ny maha izy azy ny taovolo
Anisan’ny endrika ivelany ahafantarana ny maha izy azy ny olona iray ny taovolony, indrindra ho an’ny Malagasy fahiny. Kanto ary nireharehany ny fananana izany. Somary very anefa izany ankehitriny noho ny antony maro. Mibahan-toerana eo amin’ny Malagasy ny taovolo. Mirakitra sy maneho ivelany ny zavatra mitranga ao anaty olona iray […]