Songadina

Fiarovana ny tontolo iainana : Marisika tsikelikely amin’ny fampiasana arina ekolojika ny mponina

Azo lazaina ho efa manomboka marisika amin’ny fampiasana ny arina ekolojika ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy amin’ izao fotoana izao. Noho ny fahatsapana ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny halafosan’ny arina tsotra eny an-tsena. Miankina tanteraka amin’ ny fampiasana ny arina fandrehitra sy kitay avokoa ny 95% ny tokantrano malagasy. Mbola lafo […]

Ny volo na Bararata : Tsy afa-misaraka amin’ny filana andavanandron’ny Betsimisaraka

Zavamaniry iray tsy afa-misaraka amin’ ny olombelona maro ny volo na bararata. Ani­san’ny mampiasa azy io betsaka ny Betsi­misaraka. Fi­tao­vana ilaina amin’ny fiainana andavanandro mihitsy izy io. Anisan’ny zavamaniry tsy afa-misaraka amin’ny filana andavanandron’ ny Betsimisaraka ny volo na bararata. Misy karazany dimy izy ireny hatreto, raha ny fanadihadiana nataonay […]

Vondrona mpamonjy voina Toamasina: Nahatratra 76 ny haintrano nanaovana asa famonjena

Maro ny haintrano novonjen’ny sampana mpamonjy voina ao Toamasi­na, ny taona 2024 sy ny 2025 diavina ity. Ankoatra ny haintrano, mandray an­draikitra amin’ireo loza eny anivon’ny fiarahamonina ko izy ireo. Niavaka raha tena niavaka ny trangam-pirehetana tamina karazan-javatra maro teto Toamasina ny taona 2024 sy ny fiando­han’ny taona 2025. Nandrai­san’ny […]