Anisan’ny sampandraharaham-panjakana fa saingy ny tsy miankina no mandrefy sy mandidy amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara. Raha tsorina dia misy rafitra roa eo anivon’ity sampandraharaha ity ka ny rafitra voalohany dia ireo solontenan’ny vondrona mpandraharaha, tarihin’ny filohany, manana lefitra. Miampy ireo mpanolotsaina miisa 30 mandrafitra an’ izany, […]
Songadina
Fiatrehana ny tondradrano : Tokony hirosoana ny fanadiovana an’i Sisaony
Anisan’ny ahitana olona traboina maro ny ao amin’ny faritra Antananarivo Atsimondrano, rehefa vanim-potoanan’ny orana tahaka izao. Lasibatra amin’izany ny etsy Ampitatafika sy Anosizato. Antony mahatonga izany ny fiakaran’ny rano, noho ny tsy fisian’ny fivoahany, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny ben’ny Tanànan’ Ampitatafika, Rado Ramparaoelina. Nodiovina farany ny renirano Sisaony tamin’ny […]
Tsy milamina i Toamasina : Tonga any an-tokantranona polisy ny asan-jiolahy
Mahamay sy tsy milamina ny tanànan’ i Toamasina sy ny manodidina amin’ny resaka tsy fandriampahalemana. Saika andrenesana loza vokatry ny asan-jiolahy isan’ andro, any an-toerana. Vaky trano etsy, fandrobana nampiasana fitaovam-piadiana eroa. Ny olona matina tsatoka antsy, fanolanana sy ny fanendahana manginy fotsiny manerana ny elanelantrano. Amin’izay indrindra, tonga hatreny […]
Kaominina Ambodilazana
Raha hofantarina dia manaraka an’iny lalam-pirenena faharoa iny, eo amin’ny kaominina ambanivohitra Fanadrana no misy lalana miditra mankany Ambodilazana, 33,8 kilometatra ny elanelan’izany, mandeha lalan-dratsy. Ankoatra io kaominina ambanivohitra roa voalaza etsy ambony io, mbola tafiditra, voakasiky ny tetikasa Volobe II, ny kaominina ambanivohitra Satrandroy sy Ifito. Anatin’ny fokontany Ambodimanga, […]
Tetikasa Volobe faharoa: Mizotra antsakany sy andavany ny tetiandrom-panorenana
Manoloana ny tranga fahatapatapahan’ny herinaratra etsy sy eroa eto amin’ny Nosy, raha tsy hilaza afa-tsy ny eto Toamasina sy ny tambajotra iraisan’Antananarivo, manetsika ny fanadihadiany ny mpanao gazety. Nanomboka ny 15 novambra 2024 lasa teo, fotoana nitokanana ny birao fandraisana sy fifandraisana ho an’ny vahoaka eny ifotony sy nitsidihina ifotony […]




