Manan-karena amin’ny harena voajanahary i Madagasikara. Anisan’izany ireo karazam-bato samihafa mivoaka sy hita eto an-toerana. Mahaliana ny vahiny izy ireny noho izy miavaka sy tsy fahita firy any amin’ny firenena hafa. Ahitana karazam-bato maro ny faritra rehetra manerana ny Nosy fa samihafa avokoa ny anarany sy ny endriny. Misy anefa […]
Songadina
Zotra efa mahazatra ny maro: miavaka amin’ny zava-misy rehetra ny fitaterana an-taksiborosy
Manana ny mampiavaka azy ny fitaterana eto Madagasikara. Samy manana ny mahazatra azy kosa ny distrika tsirairay. Anisan’ny olan’ny fitaterana nasionaly sy ny any amin’ny faritra ny haratsian-dalana. Mbola misedra olana goavana ny fitaterana eto Madagasikara. Anton’izany ny haratsian-dalana manerana ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy sy ny fahanteran’ny fiara. […]
Jiolahy mpampihorohoro tao Toamasina : mpiray tambajotra amin’ny asa ratsiny ny reniny, polisy teo aloha
Jiolahy raindahiny sy ny namany hafa ary ny reniny izay polisy, naiditra vonjimaika am-ponja tamin’ny volana jona lasa teo. Anisan’ny jiolahy mpamerin-keloka sy efa manana ny tambajotra matanjaka sy mahery vaika amin’ ny asan-jiolahy izy ireo. Voasambotry ny polisy tao amin’ny Bazary kely Toamasina ny tovolohay 34 taona sy ny […]
Faritanin’i Toamasina: fialofan’ny jiolahy hanaovany asa ratsy ny bajaj sy ny posy
Tao anatin’ny herinandro maromaro, nitombo ny fitarainan’ny mponin’i Toamasina amin’ireo fanendahana sy fangalarana eny ambony posy sy anatina bajaj ao an-drenivohitr’ i Toamasina. Fitaovana entin’ny jiolahy manao ny asa ratsy ny bajaj sy posy. Mahatratra 19 ireo jiolahy lavon’ny balan’ny polisim-pirenena nanomboka ny fiandohan’ny taona 2024 hatramin’ity volana jona ity, […]
Distrika sy kaominina ao Vavatenina : tsy nahitana fampandrosoana taorian’ny taona 1960
Anisan’ny distrika iray amin’ ireo enina mandrafitra ny faritra Analanjirofo i Vavatenina. Ahitana kaominina 11 mandrafitra azy, izay mifanila amin’ Ambatondrazaka. Mahatratra hatramin’ny 119 kilometatra ny halaviran-dalana raha miainga avy any Toamasina. Maharitra fotoana ela ny fahavitana ny dia noho ny haratsian-dalana. Tsy misy fampandrosoana mihitsy ny fotodrafitrasam-panjakana eo anivon’ny […]