Songadina

Filana amin’ny fiovan’ny toetr’andro: Mampiroborobo ny fiveloman’ny vahoaka ny fambolen-kazo

Ao anatin’ny fotoana fambolen-kazo tanteraka isika izao. Maro ny olona, fikambanana, sy ny maro hafa efa nahavita izany. Tanjona ny hamerenana ny ala may eto Madagasikara. Ao anatin’ny fotoanan’ny rotsakorana, tena tsara indrindra hambolena hazo isika izao. Ho an’ny eto afovoantany, efa maro ny fikambanana, ny fiangonana, ny orinasa ary […]

Fandrindram-piterahana: Mahasarika mpivady maro ny fanisana andro

Efa maro ny mpivady misafidy ny hanao fanabeazana aizana sy tonga manatona toeram-pitsaboana amin’izao fotoana izao. Antony mandrisika azy ireo hanao iza­ny ny fialana amin’ny fiterahana misesy eo anivon’ny tokantrano. Maro ny fomba azon’ny mpivady atao amin’ny tontolon’ny fanabeazana aizana. Misy ny fihinanana fanafody sy fanaovana tsindrona eny anivon’ny tobim-pahasalamana. […]

Fitakiam-bahoaka tao Foulpointe : Fananana an-tapitrisany maro voaroba, olona 10 voasambotra

Nitrangana savorovoro sy hetsi-ba­hoaka nandritra ny andro maromaro tao Mahavelona- Foulpointe, na­nom­­boka ny alakamisy 30 janoary lasa teo. Efa somary nisava kely izany ny alahady 2 febroary lasa teo. Efa nisy ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana nandritra izany, antony nampiato kely izany. Nitondra sorabaventy, niakatra teny an-tampon-tanàn’i Mahavelona Foul­pointe, […]

Sary hosodoko : Asa tanana mitondra anjara biriky amin’ny sehatry ny fanabeazana

Kolontsaina iray anisan’ny manana ny anjara toerany eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny hafatra entin’ny sa­ry hosodoko. An­tony iray mahatonga ny mpanao asa tanana manao iza­ny ary ny fanjifan’ ny olona azy ireny. Manabe sy mitaiza toe-po sy toe-panahy ho an’ny olon-drehetra ny haikanto, anisan’izany, ny hafatra entin’ny sary hosodoko. […]