Voa mafy ny roa tamin’ireo mpianatra sivy naratra, vokatry ny fifandonana noho ny lonilony teo amin’izy ireo, tao amin’ny oniversite Andrainjato, afakomaly. Mpianatra avy amin’ny faritra roa samy hafa nifampihantsy ady. Araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny zandary ao an-toerana, fanapahan’ny mpianatra iray avy any Menabe ny akondro naniry teo akaikin’ny […]
Songadina
Haitao ara-kajy mirindra : fanoitra tsy azo ihodivirana amin’ny fampandrosoana
Nisokatra, tamin’ny fomba ofisialy, omaly, etsy amin’ ny Novotel Alarobia, ny fikaonan-doha momba ny fanovana sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra eto Afrika «Assises de la Transformation digitale en Afrique» (ATDA), andiany faha-12. Maharitra roa andro ny hetsika, hanomezana sehatra ireo mpikaroka iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny haitao ara-kajy […]
Ceni-Fifidianana : “Tsy ampy hiasana ny 70 miliara Ar”
Hatao ihany ny fifidianana? Tsy ampy hanaovana izany ny vola 70 miliara Ar, raha ny fanazavan’ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni, “Kely izany 70 miliara Ar izany, ary tsy mety hahavitana fifidianana”, hoy ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, manoloana ny resaka hoe 70 milira Ar no zakan’ny fanjakana enti-manana […]
Fifidianana filoham-pirenena : hentitra ny masontsivan’ny eveka amin’ireo ho kandidà
Namoaka hafatra ny eo anivon’ny Fivondronamben’ ny eveka (Fem), omaly. Voaresaka ny hiatrehana ny fifidianana sy ny fahasahiranam-bahoaka. Eo koa ny ezaky ny fitondrana ary ny tsindrom-paingotra amin’ny fampanantenana tsy tanteraka. Nampahatsiahy ny toetra tokony hananan’ny kandidà hofidiana ny eo anivon’ny Fem amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Hentitra ny masontsivana […]
Fanararaotana mpivavaka: Pasitera efatra voasambotra
Nanao be midina tamina trano fivavahana iray ny polisim-pirenena, omaly. Pasitera sady mpaminany efatra voasambotra. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny olona efatra misora-tena ho Pasitera tao amina fiangonana tsy miankina iray, ao Fianarantsoa Renivohitra, omaly. Nisintona lakolosy teny anivon’ny fampanoavana ny vehivavy telo mpino eo amin’ilay fiangonana. Taorian’ny fitorohana nalefan’izy ireo, […]