Asa iray mahavelona olona maro ny asa fanaovana vato, efa miroborobo fatratra eto an-toerana ny fanaovana izany. Ahitana izany ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Ho an’ny faritra Analamanga manokana, ahitana izany ny etsy Ambohimangakely, Ivato, Isotry, Ambatomirahavavy, Ambohimalaza, Itaosy… Efa nisy nijanona tamin’ny asa ny sasany tamin’ izy ireo […]
Songadina
Mpampivelona : asa hanasoavana sy hanampiana ny olona sahirana
Ankoatra ny vehivavy miteraka, ilain’ny rehetra ny fisian’ny mpampivelona eto amin’ny firenena satria antoky ny fahaveloman’ny aina izy ireny. Hanasoavana sy hanampiana ireo mpiara-belona sy ireo vehivavy sahirana no tena anton’ny safidin’ireo olona manao ny asan’ny mpampivelona, raha ny fanadihadiana natao. “Asa masina ny asan’ny mpampivelona satria miantoka ny ain’ny […]
Semipi – Fianarantsoa : mivoatra manaraka ny vanim-potoana ilay “Paradisa faharoa”
Sekoly mamolavola ireo tovolahy ho taninketsan’ny Foloalindahy ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi), ao Beravina Fianarantsoa. Maro ireo manamboninahitra ambony efa mitana andraikitra eto amin’ny firenena no nandalo tao amin’ny sekoly. «Fahaizana – Fahendrena – Fandresena ». Io no tarigetra napetraky ny tomponandraikitra eo anivon’ny Semipi amin’ny famolavolana ireo miaramilakely, beazina sy volavolaina […]
Raharaham-pirenena: tsy liana amin’ny resaka politika ny vahoaka, leo fampanantenana
Tsy liana amin’ny resaka politika ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy, indrindra fa ny vehivavy, raha ny fanadihadiana natao. Tototry ny adim-piainana sy kivy amin’ny tsy fahatanterahan’ny mpitondra ny teny nomeny, ary ireo fampanantenana nandritra ny propagandy ny antony, raha ny fanazavana voaangona. Manodidina ny 11 tapitrisa ireo mpifidy voasoratra anarana, araka […]
Fiompiana trondro an-tanimbary: mbola malalaka ny tsena ary tsy ahina ny aretina eto Madagasikara
Seha-pihariana anisan’ny miroborobo fatratra ny fiompiana trondro karpa sy tilapia eto an-toerana. Faritra maro, ahitana mpiompy karpa be indrindra ary manao izany ho foto-pivelomana ny faritra Analamanga, Itasy, Matsiatra Ambony ary Vakinankaratra. Nampidirina teto Madagasikara ny trondro karpa tamin’ny taona 1914. Lasa karazan-trondro be mpiompy indrindra izy io ankehitriny. Azo […]




