Nandiso ireo fanehoan-kevitra samihafa ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy, omaly, tetsy 67ha. Notsiahiviny tamin’izany ny asan’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac). “Tsy natao hanenjehana mpanao politika na koa hikendrena foko izatsy na izaroa ny Pac. Mametraka ny tany tan-dalàna isika ary miady amin’ny kolikoly ka tsy misy […]
Songadina
Lehilahy novonoina: nomena fampatoriana, notsatotsatohana antsy
Voasambotry ny polisy ny mpifankatia namono lehilahy, iray teny Andavamamba. Nomen’izy ireo fampatoriana, nolerana antsy, nodorana ilay lasibatra. Niaiky ny heloka vitany izy roa. Tapa-bolana aty aoriana, tra-tehaky ny polisy ny atidoha sy tompon’antoka tamin’ny famonoana ny raim-pianakaviana iray tetsy Andavamamba. “Razana nodorana tanaty dabam-pako no nanaitra ny mponina manodidina […]
Fizotry ny fiainam-pirenena : manahy krizy marolafy ny UNDD
Nivoaka ny fahanginany ary nanao fanambarana ny eo anivon’ny antoko UNDD, ny 13 mey teo. Nampaneno lakolosy izy ireo manoloana izao raharaham-pirenena izao. Nambaran’ny birao politikan’ny antoko tamin’ny fanambarana, nosoniavin’ny filoha nasionaly vonjimaika, Manoro Regis, fa mandalo kihon-dalana sarotra eo am-baravaran’ny krizy marolafy mivaivay ny firenena. Notanisain’izy ireo ho anton’izany […]
Ambohitrimanjaka : jiolahy roa nitam-basy nandroba moto
Miova indray ny fanaon’ireo mpangalatra! Nirefotra indroa ny basy, jiolahy roa nitam-piadiana nangalatra moto teny am-pandehanana tetsy Ambohitrimanjaka, omaly tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Tsy nanampo na inona na inona ny tompony! Moto “scooter” marika Racing King, anisan’ireo hiaka farany, norobain’ny jiolahy roa lahy nitondra basy, tetsy Ambohitrimanjaka, omaly […]
Governora faritra Vakinankaratra : “Tahotra fifidianana ny fanaovana Tetezamita”
“Tahotra hiatrika fifidianana ny an’ny sasany. Mamboly korontana etsy sy eroa, mampisavorovoro saim-bahoaka, mieritreritra hanao fitondrana Tetezamita hifampizarana seza… Avy eo, hanitatra izany Tetezamita izany ho teteza… miitatra.” Io ny fanahoan-kevitry ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Rakotovao Vyvato. ”Mampalahelo koa indraindray ny fihetsiky ny fiombonambe iraisam-pirenena sasantsasany: manome lesona, manery, manao […]