Kandidà laharana faha-3 ao anatin’ny bileta tokana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry Nirina. Nanomboka ny taona 2007 no nahitana azy voalohany tamin’ny sehatra politika. « Fikirizana sy fanamby », teny roa azo hamehezana ny lalana nizorany. Taorian’ny antsapaka natao teny anivon’ny Vaomiera mahaleo tena mikarakara fifidianana (Ceni), omaly, dia […]
Songadina
Lalam-pirenena faha-44: Vita ny veliranon’ny filoha Rajoelina Andry, faly ny mponin’Alaotra Mangoro
Afa-trosa ! vita ny veliranon’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny vahoakan’ny faritra Alaotra Mangoro. Fotodrafitrasa maro no notokanana tamin’ny sabotsy, tao Moramanga sy Ambatondrazaka. Tetezana, biraon’ny kaomisaria, orinasa madinika, toby mamokatra herinatra mandeha amin’ny masoandro, sy kianja manara-penitra, ary ny lalam-pirenena faha-44. Ireo no fotodrafitrasa notokanan’ny kandidà Rajoelina Andry, izay vao nahavita […]
Vakoka sy kolontsaina: haikanto malagasy nahavita nitety vanim-potoana ny hiragasy
Fampisehoana hatrehin’ny vahoaka, mitovitovy amin’ny teatra atao an-kira, ahitana anatra sy torohevitra ary fampihavanana, ny hiragasy. Ankoatra izay, fitambaran’ny feon-javamaneno sy hira ary dihy mampiavaka ny faritra afovoantany eto Madagasikara, indrindra ny Merina, izy. Nanodidina ny taonjato faha-19 tany. Mpihiran’Andriana no nipoiran’ny hiragasy, teto afovoantany, tamin’ny andron’Andrianampoinimerina. Ny fihaonana sy […]
Seha-pihariana: mahatratra hatramin’ny 1 000 000 Ar ny vidin’ny bitro iray tsara karazana
Efa manomboka ahitana mpiompy bitro avokoa ny faritra maro manerana ny Nosy. Amin’ny ankapobeny, miompana amin’ny fiompiana bitro nentim-paharazana ny ankamaroan’ny tantsaha. Efa manomboka misokatra tsikelikely amin’ny fiompiana moderina, amin’ny alalan’ny fiompiana ireo bitro tsara karazana sy tsara taranaka izany ankehitriny. Tanjona ny hahazoana vokatra tsara kalitao sy mahafa-po ho […]
faritra Vakinankaratra : matanjaka ara-toekarena sy manan-karena ara-boajanahary
Anisan’ny ahafantaran’ny maro ny faritra Vakinankaratra ny famokarana ny filàna ara-tsakafo rehetra sy ny fiompiana. Ankoatra izay, manan-karena toeram-pizahantany maro samihafa koa izy. Mampandroso sy mitazona ny maha izy azy ny faritra ny fananana izany. Mahatonga azy matanjaka ara-toekarena tena avo lenta. Anisan’ny faritra heverina ho mahavita tena ara-tsakafo raha […]




