Songadina

Antoko Fiombonana : “Mba tsy ho very maina ny ra latsaka”

Anisan’ireo nahatsiaro ny faha-51 taona ny tolon’ny mpianatra, ny mey 1972, ny antoko Fiombonana. Namba­ran’izy ireo fa manaja ny tantara nolalovan’ny firenena, mitaiza sy manabe taranaka izy ireo. Notsiahivin’ny Fiom­bonana, maro ny nifamahofaho teo amin’ny fiainam-pirenena. Vavolombelon’izany ireo raiamandreny, nitolona tamin’izany. “Tsy ho very maina ny herimpo sy ny ra […]

Vovonana “Tsimatimanota” : “Tsy avela hanjaka eto intsony ny tsimatimanota”, hoy i Paolo

“Noho ny disadisa misy eto Madagasikara, mahatsapa izahay fa potika ny firenena, mahatsapa izahay fa misy ny tsimatimanota. Eo koa ireo mpiaro olon-dratsy mpamo­tika firenena sy mpamono olona. Noho izany, nanapa-kevitra izahay fa hatsangana ny vovonana miady amin’ny tsimatimanota eto Madagasi­kara”, hoy ny administratera sivily, Paolo Emilio Raholi­narivo Solonavalona, nandritra […]

“Raharaha Raissa ” – Minisitry ny Fitsarana: “Mbola anatin’ny tsiambaratelo ny fanadihadiana”

Tsy mbola nifarana manoloana ny resabe. Nitondra fanazavana indray momba ireo nambaran-dRazaivola Raissa farany teo ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy, omaly, tetsy Anosy. Notsiahiviny tamin’izany, misy efa ela ny departemanta mandray ny fitarainana tahaka ireny eo anivon’ny fitsarana. “Efa mi­sokatra ny fanadihadiana saingy mbola ao anatin’ny tsiambaratelo tanteraka izany. Voa­fetran’ ny […]

Moramanga : fasana telo indray vaky, razana 22 nanjavona

Mirongatra indray ny halatra taolam-paty! Razana 22 indray lasan’ny mpangalatra taolam-paty nandritra ny vaky fasana tao amin’ny fokontany Camp des mariés Moramanga, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao avy amin’ny lefitry ny lehiben’ny fokontany ny zandary avy ao amin’ny borigady Moramanga momba ny fisiana trangana vaky fasana tao an-toerana. Fasan-drazana telo ana fianakaviana […]

Mpisandoka mizara tany : efatra mianadahy nampiasa ny anaran’ ny Filoham-pirenena

Voasambotry ny zandary, teny Ivato, omaly, ny olona efatra, misoloky volan’olona amin’ny resaka fizarana tany. Nisandoka sy nampiasa ny anaran’ny Filoha Andry Rajoelina izy ireo. Tra-tehaky ny zandary omaly, ireo efatra mianadahy misandoka ho avy amin’ny fikambanana iray mpizara tany. Milaza fa avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo ka mampiasa ny […]