Manana ny fomba fijeriny mikasika ny tontolon’ny fampianarana ambony amin’izao fotoana izao ireo ankizy vao afaka fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity, raha nanaovana fanadihadiana. Misafidy ny handranto fianarana eny anivon’ny oniversite tsy miankina ny ankamaroan’izy ireo. “Manimba ny sain’ny ankizy sy ny hoaviny ary ny fotoanan’ ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ny fitokonana sy ireo olana samihafa eny amin’ny oniversiten’Ankatso”, hoy i Sahondraniaina, mpianatra afaka bakalorea, Serie […]
Songadina
Tetikasa “Madagasikarantsika” : tafapetraka ny alan-javaboahary voalohany any Ampotaka, Mandoto
Tratra ny tanjona! Notokanana tao Ampotaka ny alan-javaboahary voalohany eto Madagasikara. Handrakotra ala ho an’ny taranaka sy ho fanatsarana ny fitantanana ny tontolo iainana maharitra ny tetikasa “Parc Madagasikarantsika”. Tsikitsiky sy hafaliana. Io no nisoritra teo amin’ny endrik’ireo mponina tao amin’ny fokontany Ampotaka, kaominina sy distrika Mandoto, faritra Vakinankaratra omaly, […]
Ambohidratrimo Marovatana : vohitra nanana ny naha izy azy, anatin’ny tantara.
Vohitra nipoiran-dRadama voalohany Ambohidratrimo, ankoatry ny maha anisan’ ny ao anatin’ny vohitra roa ambin’ny folo azy. Efa tao anatin’ny Imerina efa-toko ihany koa izy talohan’izany. Vohitra iray tao anatin’ny Imerina efa-toko, ny vohitr’Ambohidratrimo Marovatana. Ny Mpanjaka Ratrimo sy Ramorabe ary Rambolamasoandro no nifandimby nanjaka teny, tamin’ny taonjato faha-16 sy faha-17. […]
Fampahatsiahivana tantara : 360 ireo olo-malaza mitondra anaran-dalana eto Antananarivo
Mahatratra 360 ireo anaran-dalana manerana an’ Antananarivo, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny Vakoka sy ny fizahantany eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. 5% ireo toerana tsy mbola misy anaran-dalana ankehitriny, raha ho an’Antananarivo manokana. “Nosafidina afaka mitondra anaran-dalana ireo olo-malaza, efa maty, nahavita zava-dehibe teto Antananarivo sy […]
Fifidianana filoham-pirenena : roa ny vehivavy kandidà… Mbola misy hafa koa andrasana
Manomboka rahampitso ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho an’ireo kandidà ho filohan’ny Repoblika. Miisa roa aloha hatramin’izao ny vehivavy nanao fanambarana firotsahana amin’izany. Anisany Ratsiraka Annick Zoary sy i Masy Goulamaly… Vehivavy kandidà nanambara voalohany ny firotsahan-kofidina ho filoham-pirenena, i Masy Goulamaly. Nianatra momba ny fitantanana “Master en Gestion” sy […]




