Songadina

Madera Namontana: jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahadimy (CSP 5) Mahamasina, omaly ta­min’ny 1 ora maraina teny Madera Namontana, ny jio­lahy iray raindahiny amin’ny fanafihana. Naharay antso ny polisy fa misy andian-jiolahy nanafika tranona ramatoa iray eny Namontana. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola 4 hetsy Ar sy telefaonina finday […]

Notorin’ olon-tsotra : naiditra am-ponja i Lola Rasoamaharo

Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly alina, i Lola Rasoamaharo. Notorin’olon-tsotra, nilaza fa saika hakana 885 tapitrisa Ariary tsy ara-drariny izy. Tsy misy idirany amin’ny asa fanaovan-gazety ny raharaha. Eny Antanimora, nanomboka ny sabotsy alina, i Lola Rasoamaharo sy ny lehilahy iray. Nosambo­rina, natolotra ny fitsarana avy hatrany izy ireo, noho ny […]

Fanambin’ny ceni: fifidianana madio, tsy misy savorovoro

Samy manantena fifidianana madio sy mangarahara ny ankolafin-kery politika rehetra. Nanao rodobe, nanatrika ny dinika nokarakarain’ny Ceni ny Mpitondra sy ny mpanohitra. “Zotram-pifidianana tsara omana, an­draisan’ny rehetra anjara hampisy fitoniana sy filaminana no tanjona tiantsika hotratrarina amin’ny fihaonana. Hojerentsika miaraka hoe: ahoana no hahazoantsika manomana fifidianana ho avy rehetra ao […]

Depiote mpanohitra : “Tsy matoky ny HCC amin’ny fitsarana fifidianana izahay”

“Tsy matoky ny HCC izahay satria mampanahy ny firaisana tsikombakomba amin’ny fahefana mpanatanteraka, ka tsy voahaja intsony ny lalàmpanorenana. Manahy izahay ny tsy hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra, izay lalana mankany amin’ny krizy.” Io ny fanambaran’ny de­piote 15 avy amin’ny fanoherana, teny Ambohimanam­bola, omaly, novakin’ny de­piote Johasy […]

Savorovoro politika : manomboka ny herisetra sy ny fifampihantsiana

Tsy vitan’ny fifanasana vangy sy fitakiana mamory vahoaka intsony ny hetsika politika na sosialy eto Madagasikara. Tonga any amin’ny fifampihantsiana sy fikasihan-tanana izany. Romotra ny vahoaka! Voadaroka sy nendahin’ny olona ny lehilahy iray, mpamily Bajaj, niakanjo vonimboasary, nisy sarin’ny Filohan’ny Repoblika tany Sambava, omaly. Nosamari­ta­­han’ny fokonolona, naneho fa­hatezerana noho ny […]