Nampihoron-koditra! Maty tsy tra-drano ny iray tamin’ireo mpitondra moto nifandona tao anaty haizina teny Ambodimanga Analamahitsy, ny alakamisy alina teo. Maratra mafy kosa ny roa lahy tamin’ilay moto faharoa… Maty tsy tra-drano tao anaty haizina ny mpitondra iray vokatry ny fifandonan’ny moto roa teny Ambodimanga Analamahitsy, ny alakamisy alina teo. […]
Songadina
Nikasa hanao fanafihana… : jiolahy telo indray rotiky ny balan’ny zandary
Rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifampitifirana tao Ambohimandry, distrikan’ Arivonimamo, afakomaly, ireo andian-jiolahy nikasa hanao fanafihana tao an-toerana. Niainga avy ao Imerintsiatosika dia efa fantatry ny zandary ny fanafihana nokasain’izy ireo hatao. Nametraka ny vela-pandrika sy nanao fanarahan-dia ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimandry sy Miantsoarivo, notarihin’ny chef […]
Ambohibarikely Anosibe : voatsatoka antsy teo amin’ny vavany i Sitrakiniaina
Valifaty! Tsy fahazakana zava-mahadomelina mahery vaika! Tovolahy iray 16 taona antsoina hoe i Nahoma Sitrakiniaina no notsatohana dimy lahy antsy teo amin’ny vavany teny Ambohibarikely Anosibe , ny talata hariva teo. Nampivarahontsana ny fahitana ny zava-misy satria nitsatoka teo amin’ny vavany sy ny orony ny antsy ka mbola niraikitra teo […]
Oniversite Farafangana: mpangalatra maty norasain’ny mpiambina antsy
Nifampitana tamin’ny mpiandry tanàna, mpangalatra iray nitondra antsy matin’ny mpiambina tao amin’ny Oniversite Farafarangana, afakomaly. Sendra ny nahay azy! Maty vokatry ny vono natoan’ny mpiambina ny iray tamin’ireo mpangalatra niditra an-keriny ny faritry ny oniversiten’i Farafangana, ny talata teo. Niditra an-keriny tao amin’io toerana io ny mpangalatra telo lahy nitondra […]
Halatra telefaonina : lehilahy matin’ny tora-bato sy biriky
Rangahy voalaza fa nangalatra telefaonina tetsy Amparibe ka matin’ny fitsaram-bahoaka. Any Manjakandriana anefa no hita ny fatiny. Manahy zavatra hafa ny fianakaviana. Niharan’ny fitsaram-bahoaka ny raim-pianakaviana iray, voalaza fa nangalatra telefaonina, teny Amparibe, anatin’ny boriborintany fahefatra, ny alin’ny alahady lasa teo. “Nifanenjehan’ny fokonolona izy ka nitsambikina tao anaty fefy”, hoy […]