Manodidina ny 1 000 ireo miaramila mandray anjara anatin’ny sarinady Ivondro 2023, izay hatao ao amin’ny faritra Atsinanana, manomboka ny 28 avrily izao. Hisantatra ity sarinady ity ny filatsahana an’elonaina hataon’ny Tafika avy anaty fiaramanidina ao Toamasina Renivohitra. “Tsy manakana ny besinimaro tsy hijery ny sarinady izany saingy iangaviana tsy […]
Songadina
67 ha Atsimo: nirefotra ny basy, jiolahy iray maty voatifitra
Teo am-pikasana hanao fanafihana mitam-piadiana, lavon’ny polisy ny jiolahy iray tetsy 67 ha Atsimo, omaly atoandro. Tafaporitsaka ny namany iray hafa. Nirefodrefotra ny basy tetsy 67 ha Atsimo akaikin’ny parking, omaly atoandro. Jiolahy roa nitondra basy no nifanenjehan’ny mpitandro filaminana. Araka ny nambaran’ny nanatri-maso, nitondra moto fotsy ireto olon-dratsy ireto. […]
Filoha Rajoelina Andry: “Mitohy ny asa ary manakaiky vahoaka hatrany isika”
Nitokana fotodrafitrasa maromaro tany atsimo ny filoha Rajoelina, ny faran’ny herinandro teo. “Isaky ny tonga aty Ambovombe: fitokanana, fanombohana asa, fitokanana. Mitohy ny asa ary miasa manakaiky vahoaka isika. Miahy ny vahoaka isika”, hoy izy, tany an-toerana. Nanteriny fa nimasoana nandritra ny efa-taona ny fametrahana ny fanjakana manakaiky vahoaka “Présence […]
Lozam-pifamoivoizana : nandriaka ny ra, telo matin’ny moto
Indray mipi-maso dia any amin’ny varotsimifody ireto telo lahy, mpitondra moto. Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina roa samy hafa no nahafaty azy ireo, ny faran’ ny herinandro teo. Hatairana, ranomaso, hiakiakia, tabataba… Izany no nitsenan’ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ireo roa lahy matin’ ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra Ambodifasina. Tovolahy roa (mbola ao […]
Nahazo helikoptera Airbus H 130… : “Nilofosako ny fampitaovana ny Tafika ana habakabaka”, hoy ny Filoha Rajoelina
Natolotry ny filohan’ny Repoblika sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy, Andry Rajoelina, tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy teo, teny amin’ny 1er Bataillon Parachutiste Ivato, ny helikoptera vaovao, Airbus H 130, ho an’ny Tafika malagasy. Nandray ny fanalahidin’ ity helikoptera ity ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, notronin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika sy […]