Songadina

Lapan’i Mahazoarivo: nomena baiko hentitra ny mpitandro filaminana

Namory  maika ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana eo anivon’ny OMC/Nat, ahitana ny avy amin’ny Tafika sy ny zandary ary ny polisy sy ny eo anivon’ny prefektiora ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny Mahazoarivo. Hentitra ny toromarika tamin’izany.   Anisan’ny nodinihina sy nametrahana paikady ny lafiny filaminana sy ny fandriampahalemana, manerana […]

Vovonana Lera : “Tsy handray anjara amin’ ny diniky ny Ceni izahay”

Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Vovonana Lera, omaly teny Tsimbazaza. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tena tonga ny fotoana “Lera”. Anisan’izany ny fitotongan’ny toekarena, ny vidim-piainana, ny tsy fananana asa, ny tsy fandriampahalemana. Ny olan’ny fikarakarana ny fifidianana. “Tsy handray anjara amin’ ny dinika faharoa karakara­in’ny Ceni anio, izahay…”, […]

Mpandraharaha novonoina : notapahin-doha, nanjavona ny tongony

Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana i Jackie,  mpandraharaha ao Toamasina. Razana tsy nisy loha sy tongotra aman-tanana no hitan’ny fianakaviana. Hita faty tanaty kirihitr’ala, akaiky fasana, ao amin’ny fokontany Ambalateza, kaominina An­do­dabe, Toamasina II, i Jackie, ny zoma heriny lasa teo. Ny havany sy ny mpiasany ihany no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana azy. […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Aoka isika ho tony sy tsy hikorontana”

Namarana ny fifanatre­han’ny loholona sy ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, tetsy Anosikely, ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Nisy hafatrafatra napetrany tamin’izany. “Fotoana hanatanterahana fifidianana izao. Mila fitoniana ny firenena ka mitaky fandraisana andraikitry ny rehetra izany. Tsy ahitantsika tombontsoa ny korontana noho ny tsy fifankahazoana hevitra politika”, hoy izy. Notsiahiviny […]

Fandehanana mafy : telo mianadahy maty tsy tra-drano tetsy Ankorahotra

Telo mianadahy niara-maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Ankorahotra-Tsiadana, afakomaly alina. Nirimorimo, nifatratra avy hatrany tamin’ny andrin-jiro ilay fiara Mazda. Nitrongy andrin-jiro tetsy Ankorahotra ny fiara iray mpitatitra mpiasa, afakomaly alina tamin’ny 10 ora sy 25 minitra. “Avy any amin’ny lalan’i Tsiadana io fiara io. Namantana avy ha­trany tamin’ireo andrin-jiro”, […]