Songadina

Voaroba 10 tapitrisa Ar…: vehivavy nokendaina bodofotsy, notontaina vazy ny lohany

vonoina tamin’ny fomba feno habibiana ka hita faty tao an-tranony ao Amboalefoka, Anjeva Gara, ny talata teo, ny renim-pianakaviana iray 36 taona. Notontaina vazy ny lohany mialoha ny nanakendana azy tamin’ny bodofotsy… Nampihoron-koditra! No Valifaty sa asan-jiolahy? Nofatorana tamin’ny tadina chargeur ny tanany, notontaina vazy ny lohany, avy eo nokendaina […]

Vaviantitra novonoina : nofiraina antsy tamin’ny tendany

Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny renim-pianakaviana iray, tokony ho 71 taona. Notrobarana tamin’ny antsy ny tendany, mbola nahitana ratra ny tanany, omaly. Vono olona tsotr’izao! Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray efa lehibe monina ao amin’ny tanànan’Ambo­hindra­na­dy, anatin’ny fokontany Am­bohimahatsinjo, Kaomini­na Manandroy, distrikan’Am­bo­himahasoa, omaly vao ma­raina. Hita faty […]

Halatra volam-bahoaka : 400 tapitrisa Ar nanjavona tao amin’ny “Trésorerie”

Hatramin’ny omaly hariva, atao fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro filaminana ireo olona fito mpiasa ao amin’ny “Trésorerie Prin­ci­pale” Ambalavao. Voasa­rin­­gotra amin’ny raharaha nahavery ny vola 400 tapitrisa Ar izy ireo. Ny alatsinainy teo, voamarin’ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana fa tsy hita tao amin’ny fitoeram-bola io vola mi­tetina 400 tapitrisa Ar […]

Naiditra am-ponja ry Jajabiby: jiolahy raindahiny, mpampihorohoro !

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy ry Jajabiby sy ny namany. Voalaza, ho isan’ny jiolahy raindahiny, mpangalatra moto sy mpandrahona olona amin’ny basy izy ireo. Tra-tehaky ny mpitandro filaminana, efa naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, i Jajabiby. Anisan’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fangalarana moto niharo fanapoahana basy mahery vaika tao Ankirihiry Toama­sina, ny zoma lasa teo. […]

Tsatoka antsy : roa lahy voaendaka, voatrobaka ny kibony

Naratra mafy notsatohan’ny jiolahy antsy ireo olona voalaza avy nijery fampisehoana teny Analakely, afakomaly hariva. Mody eny Ano­sipatrana izy roa lahy ireto, saingy niala tamin’ny taxi-be teo Andavamamba no narahan’ny jiolahy telo avy aoriana. Teo amin’ny lalana pavé mivoaka eo amin’ny fiangonana iray eo Andavamamba no nanaovan’ireo olon-dratsy ny asa […]