76 taona ny tolom-panavotana, nitakiana ny fahafahana teo ambany ziogan’ ny mpanjanaka. Nizaka ny mafy ny malagasy ny taona 1947. Mitantara ny niainany izany i Dada Randrianasolo. bekotro maro olatra. Tao anatin’ny fangirifiriana tanteraka no niain’ireo mpiady Tia Tanindrazana, tsy nanaiky nilavo lefona teo ambany vahohon’ny Frantsay tamin’ny fotoana nipoahan’ny […]
Songadina
Fiahiana ara-tsosialy : nandresy tamin’ny fifaninana Ravalison Lira Mejatiana
Nandresy tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Cipres (Conférence Interafricaine de la prévoyance sociale), ny novambra teo, i Madagasikara. Niompana tamin’ny fampiroboroboana ny fiahiana ara-tsosialy eo anivon’ny firenena 17 mpikambana ao amin’ny Cipres ny fifaninanana. Nandrombaka ny laharana faharoa tamin’izany Ravalison Lira Mejatiana, Malagasy nandray anjara. Natolotra omaly, tetsy amin’ny foibe Cnaps (Caisse […]
Fanafihana mitam-basy : nafatotra ny mpiambina, jiolahy roa maty voatifitra
Sady nafatotry ny olon-dratsy ny mpiambina roa lahy no novakiany ny tsena, omaly maraina. Tonga ara-potoana ny polisy. Raikitra ny fifampitifirana, maty ny mpanafika roa. Trangana fanafihana intelo nisesy no niseho tao Toamasina tao anatin’ny andro vitsy. Samy nifanehatra tamin’ny polisin’ny Fip, notarihan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules avokoa ny olon-dratsy. Ny […]
Fitsirihana rindrambaiko : nivoaka ny efitrano fivorian’ny Ceni ny mpanohitra
“Tsy feno hatramin’izao ny fepetra hanatanterahana ny fitsirihana ny lisitry ny mpifidy”, hoy ny fanambaran’ny vondron’ ny mpanohitra talohan’ny nivoahan’izy ireo ny efitrano fivoriana teny Alarobia, omaly, mialoha ny fandinihana izay dingana sy fomba hanaovana fitsirihana ny rindrambaiko ampiasaina amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Anisan’ny nanao sonia izany […]
Fikambanana Liandra Mahery : mihorohoro ny mponina
Mampihoron-koditra ny zava-misy ao Toamasiana. Tsy mbola nisy hatrizay ny fijoroan’ izany fikambanan-jatovo maditra na Fikambanana Liandra Mahery(FLM) izany. Mihorohoro izaitsizy indray ny mponina ao Mangarivotra Toamasina nanomboka ny zoma, ny sabotsy nitohy hatramin’ny alahady teo. Olona telo no efa naratra mafy tao anatin’izay telo andro izay noho ny fisian’ireo […]