Songadina

Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy: “Misy matahotra ny haha kandidà ny filoha Rajoelina”

Nitondra fanazavana manoloana ny resabe tato ho ato ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera, i Lalatiana Rakotondrazafy, omaly. Nohazavainy ny momba ny fizakan’ny filoha Rajoelina ny zom-pirenena Frantsay. Nambarany fa voafandriky ny adihevitra diso isika ary tsy tokony hipetraka akory izany. ” Hanakanana ny filoha tsy ho kandidà […]

Fanatsarana ny tontolon’ny asa : niaiky ny paikadin’ny filoha Rajoelina ny OIT

Nanokatra ny lahatenin’ny filoha Rajoelina tamin’ny fi­ha­o­nana an-tampony any Ge­nè­ve ny tale jeneralin’ny OIT, Gilbert F. Houngbo, omaly. Niaiky ny tenany raha nilaza nanoloana ireo mpivory fa fakan-tahaka ho an’ny rehetra ny politikan’ny asa eto amintsika. “Anisan’ny lohalaharana eo amin’ny fampiroboroboana ny asa mendrika tao anatin’ny taona maro ianao andriamatoa […]

Dahalo mpaka an-keriny : mafy ny fifandonana, rotiky ny bala i Lemainty

Maty voatifitra ny dahalo raindahiny naman’i Yarisy, dahalo mpaka an-keriny tao Anjozorobe. Nokarohin’ny zandary hatry ny ela, maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana i Lemainty, dahalo ikoizana. Mpiara-miasa tamin’i Yarisy, mpanga­latr’omby ary mpaka an-keriny tao amin’ny distrikan’ An­jozorobe izy ireo. Noka­rohina nandritra ny telo taona i Lemainty io. […]

Voaroba ny volabe: mpividy volamena voafira antsy, efa-dahy voasambotra

Maty voarasa antsy ny mpividy volamena roa lahy nitondra moto, afakomaly. Voaroba ny vola sy volamena. Lehilahy efatra vosambotry ny zandary. Voasambotra omaly ireo efa-dahy ahiana ho namono nahafaty ireo mpividy volamena roa lahy voarasa antsy tao amin’ny Pk 17, anatin’ny lalam-pirenena faha-14. Nitrangana vono olona mahatsiravina niaro fan­drobana tao […]